Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Novambra, 2017
#StopTheCrackdownVN: Fifanoloran-Tànana Manerantany Hitakiana Fiarovana ny Zon'Olombelona Ao Vietnam

Nanao dingana ireo vondrona mpiaro zon'olombelona nitaky tamin'ireo manampahefana Vietnamiàna ny hamotsorana ireo 165 voafonja noho ny fahatsiarovantenany, ary hampitsahatra ny fanenjehana ireo mpikatroka sy bilaogera.
Afganistana: Vaovao Momba Ilay Voafonja Sayed Pervez Kambakhsh
Afaka nihaona tamin'ilay mpianatra ho mpanao gazety Sayed Pervez Kambakhsh izay nogadraina tao amin'ny fonjan'i Pul-e Charkhi i Nasim Fekrat, mpanao gazety Afgana tsy miankina iray.
Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?
Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?
Tsy Misy Ny Hetsika Manoloana Ny Sazy Ho Faty Ho An'ilay Mpisera Aterineto Afghana
Mpianatra momba ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny Anjerimanontolo Balk ao Mazar-i Sharif i Sayed Parwez Kambakhs. Voasazy ho faty izy ankehitriny noho ny fanehoan-kevitra nataony ary tsy misy ny hetsika iraisam-pirenena ho fanavotana azy
Afovoany Atsinanana: Afaka Mampiroborobo Ny Revolisiona Sosialy Ve Ny Bilaogy?
Namerina namoaka ny lahatsoratra iray avy amin'ny tranokalan'ny fantsom-baovao CNN ilay bilaogera Saodiana Esam Mudeer ary nametra-panontanina - tamin'ny zava-niseho tamin'ny herinandro lasa teo tany amin'ny tontolo Arabo - raha toa afaka mandray anjara amin'ny revolisiona sosialy ny bilaogy Arabo.
Iran: Krizy Nokleary, Antenina TV Zanabolana Vaky & Mpianatra Nogadraina
Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao, nanome ny valinteniny ofisialy tamin'ny fangatahan'ny firenena matanjaka manerantany mba hampiato ny fampitomboany ny oranioma ho takalon'ny fonosam-bola i Iran. Mbola miresaka momba ny krizy nokleary Iraniana sy ny vokatr'izany ny fampahalalam-baovao sy ny bilaogera manerantany. Andeha hojerentsika ireo bilaogy Iraniana vitsivitsy:
Bitsibitsika Afghana: Lesona Hampianarina & Hianarana
Mahaliana fa mahita ireo firenena vahiny tahaka an'i Iran sy Iraka ireo bilaogera Afgana ary miezaka mianatra sy mampianatra lesona momba ny fandriampahalemana sy ny hafaliana.
Mandrahona Am-pamazivaziana An'ireo Mpanao Gazety Amin'ny Basy Ny Filoha Tseky

Ny Zoma lasa teo, nandrangaranga basy vita hazo fahiny ny filohan'i Tseky, Miloš Zeman miaraka amin'ny soratra hoe 'ho an'ny mpanao gazety' nosoratana teo akaikin'ny basy, mirehareha izy fa fanomezana tamin'ny fitsidihany vao haingana tany amin'ny faritra tandrefan'ny firenena izany.
Bitsibitsika Afghana: Fivadiham-pinoana
Samy nahare momba an'i Abdul Rahman, Afghana izay niova ho Kristianisma, nigadra, ary nahita fialokalofana tany Italia isika. Andeha hojerentsika izay lazain'ny bilaogera Afgana momba izany:
Krizy Nokleary ao Iran, Ireo Nosy Ao Amin'ny Helodrano Persiana ary Fanampiana Ara-bola Ho An'i Palestina
Nivory ireo mpikambana maharitra ao amin'ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana sy Alemaina mba hiresaka momba ny hetsika iraisan'izy ireo manohitra an'i Iran ary lohahevitra mafàna ao amin'ny fampahalalam-baovao sy bilaogy Iraniana ilay antsoina hoe "krizy nokleary".