· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2011

Voasakana ny vohikala Blogspot any Kambodza

Nosakanana ireo vohikala Blogspot tany Cambodge rehefa nibaiko mpamatsy aterineto maro ny fitondràna hanakana ny blaogy malaza mpanohitra ny fanjakàna, KI Media. Efa "tsy voasakana" intsony ireo vohikala nefa matahotra ireo mpampiasa aterineto momba ity sivana aterineto tsy nanam-paharoa tany amin'ny firenena ity.

30 Janoary 2011

Sina: Io àry! 77 yuan isam-bolana ny hofan-trano

Mba hanehoana ny fijeren'ny CCP (Antoko Kaominista Sinoa) ny fiainan'ny olon-tsotra, dia nandefa ny fitsidihin'ny Filoha Hu Jintao ny fianakaviana kely fidiram-bola tao Beijing tamin'ny 30 Desambra taona 2010 ny fandaharan'ny tambajotram-baovao CCTV. Na izany aza, ny fifampiresahan'ny Filoha Hu sy i Guo Chunping, nambara fa solotenan'ireo mponina kely fidiram-bola, eo amin'ny toerana ahitàna trano azo ipetrahana, dia niteraka firehetana vaovaon'ny hatezeran'ireo mponin'ny aterineto izany

11 Janoary 2011