Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2020
Hiadiana amin'ny COVID-19 ao Myanmar, antso iray hampitsaharana ny ady sy ny fanapahana aterineto ao amin'ny faritra Arakan
"Mandritra ilay valanaretina erantany, ilaintsika ny mampitsahatra ny ady sy ny fanapahana aterineto mba hiadiana amin'ny COVID-19 ao Rakhine."
Na eo aza ny COVID-19, tsy mitsahatra ireo famoretana ny zon'olombelona ao Egypta
Nanao fitokonana tsy hihinan-kanina ilay bilaogera malaza sady mpikatroka mafana fo Alaa Abd El Fattah ho fanoherana ny fihazonana tsy ara-dalàna azy, hoy ny fianakaviany.
Mahomby amin'ny fanakànana an'ireo media mpandàla an'i Pékin ve ny lalàna manohitra ny fitsofohana an-tsokosoko ao Taïwan ?
Nilaza ireo trano mpamoaka vaovao mpomba an'i Pékin fa mety handao ny tsena ao Taiwan ry zareo ho fanoherany ilay lalàna miady amin'ny fitsofohana an-tsokosoko nataon'i Taiwan
Na an-tsesitany aza, mbola mitoetra anatin'ny pôlitika bôliviàna ny dindon'i Evo Morales
Morales no tondroina ho atidoha ao ambadiky ny fanendrena an'i Luis Arce, ilay minisitry ny toekarena teo aloha, ho solontenan'ny MAS amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ho atao tsy hoe ela.
Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao
Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.
“Tsy azo inoana” ireo roa mpanao gazety nitatitra momba ny vola fanampiana amin'ny COVID-19 hoy ny minisitry ny polisy ao Papouasie-Nouvelle-Guinée
"Tsy anjaran'ny minisitra ao amin'ny governemanta no mandray fanapahana na tokony horoahana na tsia ireo mpanao gazety, ary indrindra fa rehefa noho ny tatitra tsy lanin'ny vavoniny no antony."
Mpanao gazety an-tserasera notazonina noho ny nanatsongany ny torohevitry ny praiminisitra Kambodziana momba ny COVID-19
"Tsy tokony ampiasaina ho antony hanilihana mpanao gazety izay tsy manaraka anjambany ny fanjakana ny krizin'ny Covid-19."
Tranonkala voabahana, fikatonan'ny aterineto, ary fisamborana amin'ny media manimba ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar
Manahy ireo vondrona mpikatroka sy mpandala ny zon'olombelona fa simbaina amin'ny anaran'ny fiadiana amin'ny areti-mandringana COVID-19 ny fahalalaham-pitenenana.
Ny fanavakavahana ara-pananahana sy ny fankahalàna vehivavy tamin'ny seho resaka tao amin'ny TV pakistaney
Mampiharihary ny faharatsiam-pitondrantena, ny fanavakavahana ara-pananahana, ny fankahalàna vehivavy ary ny teny mandratra atao amin'ny vondrom-behivavy sy ny mpanolotra fandaharana amin'ny haino aman-jery pakistaney ilay fifanoherana nahatsiravina tamin'ny seho resaka tao amin'ny fantsom-pahitalavitra NEO TV.
Naato ny fantson'ilay YouTuber Mozambikana rehefa avy nalaina an-keriny sy norahonana izy
Nalaina an-keriny nandritra ny 24 ora izy tany ampiandohan'ny volana Febroary talohan'ny namotsoran'ny polisy azy. Ahiana ho nanome baiko ny fakana an-keriny ilay nitonon-tena ho mpaminany antsoina hoe Joe Williams.