· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2013

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.

29 Marsa 2013

Minisitra Saodiana Mandrahona An-tserasera Mpisera Twitter Iray

Tondroina ho mandrahona mpisera Twitter iray amin'ny fitoriana azy ny MInisitra Saodiana misahana ny Fampahalalam-baovao sy ny Kolontsaina Abdelaziz Khoja noho ny fanompana azy eo amin'ny famahanam-bolongana bitika. Nilaza ny ny minisitra ho "télécommande"-n'ny mpanambola sy ny manampahefana ilay mpisera ary namaly ilay minisitra fa afa-mitory azy, raha lazainy ny anarany.

21 Marsa 2013

Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

GV Mpisolovava

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

17 Marsa 2013

Maty Nisy Namono i Parveen Rehman, Very Anjely Mpiambina Ny Ambanitanàna Lehibe Indrindra Ao Pakistana

Parveen Rehman, mpiasa sosialy mitàna ny laharana voalohany ao Pakistana, dia maty notifirin'olona tsy fantatra tany Orangi ilay heverina ho Ambanitanàna lehibe indrindra ao Karachi toerana niasàny nandritra ny taompolo telo. Nanaraka fiofanana momba ny tao-trano, tsy nitandro hasasarana ihany koa i Parveen niasa nanangona rakitra mikasika ireo tany ao an-tanàna tsy mitsaha-mitombo ao Karachi, mba hiarovana azy amin'ny mafia mpangala-tany, izay efa an-taonany maro no naharaisany fandrahonana ho faty.

17 Marsa 2013