· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Desambra, 2017

Nosamborina Ilay Bilaogera Egyptiana

Abdolkarim Nabil Seliman dia Egyptiana mpianatra lalàna 21 taona ao amin'ny Oniversiten'i Azhar, Damanhour, mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy sady solontenan'ny Copts United . Mamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaogy iray tantanany ihany koa izy ankoatra ny fanoratana ao amin'ny Civic Dialogue  .

27 Desambra 2017

Fijery Arabo: Feon'Ireo Mpandalina Ny Finoana Silamo

Tsy ireo bilaogera miteny Anglisy avy any Afovoany Atsinanana irery ihany no miezaka tsy an-kiato mampitohy ny hantsana ara-kolontsaina, fa misedra ady mitovy amin'io koa ireo bilaogera miteny Arabo ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo. Mitsikera ny sasany amin'ireo fady anatin'ny rafitra misy azy ireo mpandalina ny finoana Silamo.

24 Desambra 2017

Advocacy: Ampio Hiaro Ireo Bilaogera Eran-tany

Nametraka takelaka manara-maso ireo tranga amin'izao fotoana izahay ato amin'ny Global Voices ho fanampiana amin'ny fanangonana ireo hetsika rehetra manohana ny bilaogera. Manana takelaka wiki ihany koa izahay - Global Voices Advocacy - izay ahafahan'ny tsirairay manampy vaovao momba ireo bilaogera voarahona sy ireo hetsika natao ho azy ireo.

24 Desambra 2017

R.D. Kôngô: Resadresaka Niarahana Tamin'ny Bilaogera Tony Katombe

Bilaogera avy ao amin'ny R.D. Kôngô i Anthony Mica Katombe (Hafohezina ho Tony) izay ''handray 39 taona amin'ny 13 Aprily''. Manana maripahaizana momba ny teny Anglisy sy ny Fandalinana ny Kolontsaina Afrikana avy aminà Anjerimanontolo Kôngôley izy. Ny marain'ny resakay tamin'ny messenger, voahodidinà lehilahy mitam-basy ny tanàna niaviany tao Kinshasa.

23 Desambra 2017