Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2008

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2008

Qatar:voarara ny fampiasana ny facebook sasany

29 Marsa 2008

Ngourlay no milaza fa nosakanan'ny Qatar Telecoms ny fampiasana (tranonkala) ny Facebook sasantsasany. Nalahatry ny mpamaham-bolongana ny antony dimy mahatonga ny fanakanana ny vohikala: pôrnôgrafia ( na fampisehoana sary mamoha fady), fitsikerana politika ny firenena ao amin'ny Helodrano ary fananganana vohikala fanoherana ny fivavahana Islamo; ny vohikala sasany indray moa dia voasakana...

Tohin

Kiobà : Manakana mpitoraka blaogy

28 Marsa 2008

Tianao hitakoritsika ve ny blogosfera Kiobàna ? Bahano ary ny famakiana blaogy tian'ny maro. Hatramin'ny nibahanan'ny manam-pahefana Kiobana blaogy tsy manohana ny fitondrana avy ao Havana tamin'ny fiantombohan'ity herinandro ity, dia nanohana tanteraka ny mpitoraka blaogy Kiobàna ny diaspora mpiblaogy – indrindra moa fa i Yoani Sancehz sy ny blog-ny...

Serbia: Ny fanoheran'i Cavic (ny fahaleovantenan'i) KOsovo

25 Marsa 2008

Balkan Baby no  manoratra momba ilay tompon-dakan'ny lomano Milorad Cavic: “Maro aminay izay nanohana tanteraka ny fahaleovantenan'i Kosovo no hanohana ny fanoheran'i Cavic ihany koa na dia mifandaka aza ireo hevitra ireo, noho ny fahitanay azy ho endrika zon'ny tsirairay ao anaty demokrasia ho afa-maneho hevitra sy milaza izay ao...

Jordana : Mpanao gazety dimy nampiridina am-ponja

21 Marsa 2008

Mpanao gazety dimy avy ao Jordana no iharan'ny sazy telo volana am-ponja noho antony roa samihafa nandika ny lalana ao amin'ny fireneny. Manangam-peo ny mpitoraka blaogy avy ao an-toetrana hanoherana ity raharaha manohitra ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ity. Araka nolazain'ny International Freedom of Expression Exchange dia gazety lehibe roa ao Jordana,...

Egypta: Fenoina taratasy mankany amponja

20 Marsa 2008

“Ho fiaraha-mientana amin'ny FreeKareem.org (fanafahana an'i Kareem izay migadra), dia nanentana ny olona tamin'ny alalan'ny mailaka ny Vaomieran'ny fiarovana ny mpamaham-bolongana (mpitoraka blaogy) ho fanohanana an'ilay mpamaham-bolongana Egyptiana mbola migadra Kareem Amer,” hoy ny filazan'ny Vaomieran'ny fiarovana ny Bilaogera. Ity hetsika  izay hotontosaina, manomboka ny 7 ka hatramin'ny 21 Aprily, ity...

Maraoka: afaka i Fouad Mourtada

19 Marsa 2008

Noafahana ora iray izay i Fouad Mourtada, Injeniera momba ny fifandraisandavitra (aterineto koa) ary 26 taona raha nosamborina tamin'ny 5 febroary 2008 lasa teo sady nohelohina higadra telo taona sy handoa onitra $1350 noho ny nametrahany tamin'ny fomba tsy ara-dalàna (izany hoe karazany sandoka) ny mombamomba ny zandry rahalahin'i Mpanjaka Mohammed...

Rosìa : Hatsikana politika

10 Marsa 2008

La Russophobe no mitatitra ireo hatsikana fanaon'i Dave Essel mikasika ny Sovietika na koa ny toe-draharaha ankehitriny. Santionany amin'izany : Putin’s Reform Programme: 1. Make people rich and happy; 1a. List of people attached. “Programan'ny filoham-pirenena Poutine : 1. Hanao izay hampanankarena sy izay hiadanan'ireo “people” [vahoaka]; 1a. Indro ny...

Rosia: fahatsiarovana ireo nianjadìn'ny fanondranana ho faty; “Dzhigit Day”

06 Marsa 2008

Tamin’ny faha-23 febroary teo, andro izay anamarihan’i Rosia ny fetin’ny fiarovana ny Tanindrazana, no nivorian’antokon’olona roa tao amin’ny Moscow's Bolotnaya Square ao Môskoa. Izany dia natao hanamarihana ireo Tsetsena sy Ingosa namoy ny ainy noho ny fanondranana ho faty tamin’ny taona 1944. Olona miisa 50 eo ho eo no nanatrika...