· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2011

Arabia Saodita : Mpiaro Ny Zon'olombelona Niakatra Fitsarana

Niatrika fitsarana nasionaly tao Jeddah noho ny "faniratsirana ny fitsarana" ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona, Waleed Abu Alkhair (@abualkhair) . Saodiana maro mpandefa tweet no niresaka ilay raharaha tao amin'ny Twitter mba hanehoana ny fanohanany sy hanakianana ny fomba fiasan'ny manampahefana manoloana ireo mafàna fo.

24 Septambra 2011

Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.

22 Septambra 2011

Sakanan'ny Governemanta Siriana Ny WordPress

GV Mpisolovava

Mitatitra ireo mpampiasa Twitter Siriana fa ny sehatra fitoraham-bilaogy be mpamhalàla, WordPress, dia voasakana amin'ireo ISPs (mpanome tolotra aterineto) ao amin'ny firenena. Manaraka ny onjam-panoheran'ireo mpanohitra ny fitondrana izay mampitroatra ny firenena izany fihetsika izany na dia eo aza ny famoretana henjana avy amin'ny governemanta

18 Septambra 2011

Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo

Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.

14 Septambra 2011