Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Novambra, 2018
Fidirana Amin'ny MSN Space ao Shina
Maro ny olona nilaza fa tsy afaka miditra amin'ny blaogy MSN Space-ny na miatrika fahasarotana amin'ny fidirana, ao anatin'izany i Nina Wu, anabavin'ilay blaogera voasambotra sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices Hao Wu, miaraka amin'ny blaogera MSN maro nanamarina ilay olana.
Ejipta: Literatiora “Kleenex” ao amin'ny foaran'ny boky iraisampirenena ao Kairo
Nataon'ny bilaogera ejipsiana nihotakotaka ny Foaran'ny boky iraisampirenena 2009 tao Kairo tamin'ny famoahan-dry zareo lohatenim-boky vaovao miisa 15. Ny dinan'ny mpanoratra no mametraka ny literatioran'ny bilaogera ho literatiora "Kleenex".
Ny Fomba Nanakanan'ny Fitsarana Avo Tao Brezila An'i Lula Tsy Haneho Hevitra Talohan'ireo Fifidianana Breziliana
Miteraka adihevitra be momba ny sivana sy fahalalahana haneho hevitra ilay fanomezana alalàna narahina fandraràna nataon'ny filoha sy ireo mpitsara avy ao amin'ny STF ny mety ho endrika rehetra fifampiresahana amin'ilay filoha breziliana teo aloha.
Na dia eo aza ny fandrahonana amin'ny fisamborana, dia lasa nalaza tao Thailandy ny hira rap mitsikera ny fitondrana miaramila
As a response to the 40-million-view music video, the Thai government launched its own rap song celebrating innovation and progress (it flopped). Ho setrin'ny lahatsarin-kira nahasarika mpijery miisa 40 tapitrisa dia namorona ny hirany rap manokana ny governemanta Thailandey izay mankalaza ny fanavaozana sy ny fandrosoana (tsy nahomby).
Ireo Fanehoankevitra Manoloana Ny Fisamborana An'i Kem Sokha, Kambodziana Mpikatroka Mafana Fo Ho an'ny Zon'olombelona
Avy amin'ny Jinja izay maneho hevitra amin'ity tantara nalefan'ny AP ity mikasika ny fisamborana an'i Kem Sokha, avy amin'ny Ivontoerana Kambodziana mikasika ny Zon'olombelona. Manamafy izy io fa nosamborina ihany koa i Yeng Virak, lehiben'ny Ivontoeran'ny Vondrompiarahamonina ho Fanabeazana Araka ny Lalàna.
Jordania: #HashtagDebates (adihevitra momba ny tenifototra) sy Fanavaozàna
Tao Makan no natao ny #HashtagDebates andiany faharoa nokarakarain'ny 7iber, tao Amman, tamin'ny harivan'ny 7 martsa. Mandray anjara amin'ny fanatevenana ny adihevitry ny daholobe teny anaty tambajotra sy ivelan'ny tambajotra.
Tonizia Mibilaogy: Novambra mahafinaritra
Mankalaza ny faha 19 taonan'ny "Fanovana ny 7 novambra" (1987) izay nitondra ny filoha Ben Ali teo amin'ny fahefana tao anatin'ny fanonganam-panjakana mihoso-drà nihatra tamin'i Habib Bourquiba, izay nanjaka nandritra ny 30 taona
Torolalana ho an'ny bilaogera sy ny mpanohitra an-tserasera
Namoaka ny "Torolalana ho an'ny bilaogera sy ny mpanohitra an-tserasera" ny Reporters Sans Frontières ny 22 Septambra 2005. Azo alaina ao amin'ny tranonkalan'ny RWB amin'ny fiteny miisa dimy (Anglisy, Frantsay, Persiana, Shinoa ary Arabo) izany ary ahitana lahatsoratra momba ny "famahanana bilaogy tsy fantatra anarana" nosoratan'i Ethan Zuckerman...
Vaovao momba ny Fahalalaham-pitenenana
(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny fivoarana farany momba ny fandrahonana ny Fahalalaham-pitenenana nandritra ny herinandro . Miaraka amin'ny Reporters sans frontières Shina: Mpanohitra an-tserasera...
Afaka madiodio tamin'ny fiampangana fihemorana amin'ny finoana ilay bilaogera maoritaniana Mohamed Ould Mkheitir, fa mbola migadra hatrany efa-taona izao
Famantarana "amin'ny famoretana ampiharin'ny fitondrana maoritaniana amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny famoaham-baovao ny raharaha bilaogera Mohamed Mkhaïtir