Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2016
Naato Tao Anatin'ny Fifidianana Mampiadi-hevitra Ny Fahilavitra Tsy Miankina Iray sy Radion'ny Fiarahamonina Iray Ao Zambia
"Manjary miha lasa efi-pitsarana miandalana i Zambia. Tokony ho mailo avokoa isika rehetra rehefa miteny momba ny olan'ny tombontsoam-pirenena."
Vadi-na Sendikalista Maty Enjika Miakatra Fitsarana Noho Ny Lahatsoratra Tao Amin'ny Facebook
Voampanga ho nandefa vontoaty "manevateva" tao amin'ny Facebook ny vadin'ilay mpikatroka arakasa malaza na dia tsy manana kaonty ao amin'ny habaka media sosialy aza izy.
Arahabao Ny Lalàmpanorenana Vaovaon'i Thailandy. Ary Arahabao Indray Ny Didy Miaramila Ao Thailandy
Miharihary fa ny lalàmpanorenana vaovao dia mampiroborobo ny fanjakazakan'ny miaramila, mandrahona hampijoro ara-dalàna kokoa ny kolontsain'ny sivana sy ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana amin'ny haino aman-jery.
Nahangona Sonia Hatramin'ny 1 Hetsy Ny Fanangonantsonia Amin'ny Tambajotra Manohitra Ireo Lalàna Jadona Fampitsaharana Ny Fampihorohoroana Ao Rosia
Naneho ny firaisankinany tamin'ireo FAI rosiana sy ireo mpanjifa ny tolotra amin'ny finday ireo nanao rangopohy tamin'ny tambajotra, izay nilaza fa ireo lalàna Yarovaya dia sady mamotika ny orinasa mpamokatra aterineto no mamotika ihany koa ireo mpampiasa ny RuNet.
Fihantsiana Ireo Mpanao Sivana Tranonkala : ‘Manompo’ Sahobakaka Ny Shinoa Ho Fanamarihana Ny Faha-90-Taona Nahaterahan'ny Mpitondra Fanjakana Teo Aloha
Raha voateritery ny vanim-potoanan'ny sahobakaka , dia hita fa tsara kokoa noho ny vanim-potoanan'i Bun [midika hoe an'i Xi ] izany. Mitovy amin'ny gadra ao amin'ny maizina, tsy mahazo fakan-drivotra fohy ivelan'ny trano ireo vahoaka Shinoa nanompo ny sahobakaka raha amin'izay fomba fijery izay
Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana
Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.
Akaton'i Bangladesh ny Aterineto, Avy eo Tranonkalom-baovao 35 no Nomena Baiko Hakatona
“Tafiditra ao anatin'ny hetsika ankehitriny, hotapahana mandritra ny fotoana fohy amin'ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra ny fifandraisana aterineto isan-karazany ao amin'ny firenena.”
Kandidà Enina Ho Solombavam-bahoaka, Nahilik'ireo Tomponandraikitry ny Fifidianan'i Hong Kong Noho Ny Maha-Tsy ‘Olona Mahatoky’ Tsara an'i Shina Azy Ireo
"Misy olona eto an-tany ve tia hoe ny hafa no hamaritra ny anjarany? Olona mpanompon'olona ihany no mieritreritra toy izany."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices: Lasa Politika ny Pokémon Go
Amin'ity herinandro ity izahay mitondra anao ho any Iran, Japan, Shina, Meksika ary Timor-Leste.
Fandosirana Hetra Sa Fanaovan-gazety Ara-politika? Mitohy Ny Ady Eo Amin'ny Gazety An-tsoratra Tsy Miankina Sy Ny Governemanta Zambiana
Hetra tsy voaloa, fisamborana, filazàna herisetran'ny polisy ary fifidianana ho avy, samy namadika ny sainan'ireo vahoaka hoe tokony avela hiasa indray ve ny gazety an-tsoratra tsy miankina, lehibe indrindra ao Zambia.