Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2019

27 Mey 2019

Shina, nisambotra mpanatontosa sarimihetsika namerina nibitsika sarinà tavoahangin-toaka miiresaka ny fandripahana tao Tiananmen

Hita eo amin'ny sary amin'ny taratasin'ilay tavoahangy ny sarin'i "Tank Man" arahan'ny famaritana hoe "Aza adinoina mandrakizay, Aza Milavo Lefona"

#NETmundial2014 : Mila Magna Carta Iray Ve Ny Tontolon'ny Tranonkala ?

GV Mpisolovava

Niresaka momba ny zon'olombelona sy ny aterneto ireo kintan'ny fikirakirana, ahitana ilay mpamorona ny Tranonkala, Tim Berners-Lee, Ilay mpihira sady Minisitry ny Kolontsaina Breziliana teo aloha Gilberto Gil ; ary ilay mpitarika ny Web We Want, Renata Avila izay .

25 Mey 2019

Ry Vaomiera Eoropeana ô: Aza avela hampiasa ny tahirinay mba hanodikodinana vato ireo antoko politika ireo

GV Mpisolovava

Amin'ny toe-javatra sasany, raha tokony hiaro ny zon'ny tsirairay, dia mametra ny fahalalahana maneho hevitra, manimba ny tsiambaratelo, ary manome vahana ny fanapariahana vaovao diso ireo fiavahana ireo.

24 Mey 2019

Ahoana no hanalefahana ireo mpisompatra anaty aterineto: Torohevitra avy eny an-kianja

GV Mpisolovava

Mizara ny heviny momba izay fomba hamerana ny fisomparana anaty aterineto ireo liana amin'ny zo nomerika - nefa tsy mikitikitika ny fahalalahana maneho hevitra. Fiarahanay miasa voalohany amin'ny ONG pakistaney Bolo Bhi izy ity.

23 Mey 2019

Nankatoavin'ny parlemantan'i Singapaoro ny lalàna “miady amin'ny vaovao faikany” — hanakona ny fahalalahana miteny ve izany?

GV Mpisolovava

Fantatra amin'ny anarana hoe lalàna miady amin'ny vaovao hosoka, manome fahefana midadasika tsy voafaritra ho an'ireo minisitry ny governemanta ny POFMA mba hamaritra izay fampahalalam-baovao amin'ny aterineto "diso" ary mangataka azy mba ho sivanina na hahitsy.

22 Mey 2019

Indonezia, mampiroborobo ny bilaogy tsara, imailaka feno fankahalàna ary ny Lokan'ny Biloagy Azia Blog Awards …………………. Fampitomboan'i Indonezia An'ireo Blaogy Tsara, Ireo Imailaka Mifono Fankahalàna Ary Ireo Blaogy Fanolorana An'i Azia

Tao anatin'ireo taona roa farany, vavolombelon'ny firoboroboana tsy mitsahatra sy mahavelom-panantenan''ireo blaogy tsara sy ireo blaogera tsara kalitao. Ny anton'io, amin'ny ankamaroany, dia nohon'ny fitobak'ireo manampahaizana, mpanoratra ary mpanao gazety Indoneziana izay manomboka mampiseho ny fahalinan-dry zareo amin'ny blaogy.

Maninona ireo bilaogera no loza mitatao ho an'ny governemanta etiopiàna

GV Mpisolovava

"Ny loza mitatao hita vatana amin'ireo Etiopiàna bilaogera sy mpanao gazety ary fanahy malalaka hafa dia noho izy ireo mampiditra hevitra radikaly tena vaovao be, hoe firenena iray malalaka kokoa, demaokratika kokoa."

Lahatsoratra Facebook miteraka fisamborana any Bangladesh, mampiahiahy ny mpiserasera

GV Mpisolovava

Olona roa no voasambotra tamin'ny 14 sy 15 Mey noho ny fanehoan-kevitra nalefa tao amin'ny Facebook. Niteraka hatezerana sy ahiahy tao amin'ny fampitam-baovao sosialy ny fisamborana.

Na Teo Aza Ny Fanafahana ireo Mpanao Gazetin'ny Reuters, Mbola Tataovan-doza Hatrany Ny Fahafahana Maneho Hevitra Ao Myanmar

"...ny tranga mikasika an'i Wa Lone sy Kyaw Soe Oo no porofo fa noho ny faniriana hifikitra eo amin'ny fahefana dia mbola eo ambanin'ireo tsindry politika tsy miato ireo mpanao gazety."

21 Mey 2019

Iharan'ny Tsy Fahazoana Aterineto i Benin Nefa Andro Fifidianana

GV Mpisolovava

Fanapahana aterineto nanenika ny firenena ary naharitrahatramin'ny alina, nametraka an'ireo mpifidy hiaina tanatin'ny haizina mikasika ny safidin'izy ireo tamin'ny andro fifidianana.