Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2021

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2021

Enjehin'ny manampahefana Rosiana ny fanaovan-gazetin'ny mpianatra amin'ny video iray fanazavana hetsi-panoherana

Antsoin'ny mpanohana ny DOXA ho "hagegena" ny vesatra atao azy ireo ary takiany ny "hampitsaharana avy hatrany ny fanenjehana rehetra amin'ny mpianatra."

Miaro ny zon'ny mpanao gazety Okrainiana ny fitsarana Eoropeana amin'ny tsiambaratelon'ny angodrakitry ny findainy tsy hidiran'ny fanjakana 

Nitolona nandritra ny telo taona i Natalia Sedletska mba hiarovana ny angondrakitry ny findainy tsy ho azon'ny mpampanoa lalàna Okrainiana manao fanadihadiana ny fivoahan'ny tsiambaratelom-panjakana nitranga efa-taona lasa izay.

Miatrika sazy am-ponja noho ny sary “vatana miabo” ilay mpikatroka pro-feminisita any Rosia

Nanondro an'i Tsvetkova ho voafonja noho ny fieritreretana ​​ny Amnesty ary niantso an'i Rosia mba hanala ny fiampangana rehetra sy "hampitsahatra ny fanaovana lasibatra ny feminista, LGBTI ary ireo mpikatroka hafa"

Amin'ny alalan'ny fahatsiarovana iraisana ihany no azo tontosaina ny fahasalamana ara-tsaina ao Amerika Latina

"Tsy mijanona amin'ny fotoana sy toerana iray tsy akory ny tsiaron'ny tsirairay sy ny tsiaro iraisana, fa mandeha hatrany hatrany ka azo faritana indray sy adika amin'ny fomba iray hafa."

Manangan-drantsan-tànana telo ireo artista ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana ao Myanmar

"Rehefa mahita olona isika, ary manangan-drantsan-tànana telo, dia fantatsika fa mbola velona ny hetsika. Mbola misy ny fanantenana."

Nampiato ny varotra ho an'i Belarosia sy Rosia ny orinasam-pitsikilovana finday Israeliana

Nanambara ny Cellebrite, orinasam-pitsikilovana nomerika Israeliana fantatra amin'ny fanamboarana fitaovana rindrambaiko ampiasaina hanangonana angondrakitra avy amin'ny finday avo lenta, fa hampitsahatra ny varotra amin'ny fanjakana sy amin'ny mpitandro ny filaminana Rosiana sy Belarosia.

Niala tsiny ilay Youtuber Shinoa Tia tanindrazana rehefa avy nitsikera momba ny propagandy sy ny kolikoly

Ao amin'ny vohitra misy anay, dia mbola tsy nozaraina ny tanin'ny ala. Feno kolikoly tokoa izany!

Mampisy fifandirana ny tononkira ka tsy afa-mifaninana amin'ny Eurovision 2021 i Belarus

Hitan'ny European Broadcasting Union fa "manitsakitsaka ny fitsipiky ny fifaninanana tsy manaiky ho fitaovana politika na mampisy fifandirana" i Belarus