Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2010
Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy
Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.
Loka Best of Blog 2010 : Ireto avy ireo nahazo…
The BOBs have been decided! Tonga eo amin'ny famaranana ny andiany fahaenina amin'ny fifaninanana Best of Blogs (BOBs) karakarain'ny Deutsche Welle ka midera ny mpandresy tamin'izany ny fiaraha-monin'ny Global Voices. Tamin'ity taona...
Ireo fanakatonana ataon'i Facebook
Tao amin'ny blaogin'i Jillian C. York no nipoiran'ity lahatsoratra ity voalohany. Nandritra iny herinandro lasa iny, nahazo tatitra avy amina olona maromaro aho fa nakatona na nofafana tao amin'ny Facebook...
Taiwan: Angatahan'ny polisy ny IP an'ireo mpampiasa ny Plurk [na ‘Plurkers’]
Plurk dia lafika iray fitorahana blaogy kiritika isan'ny malaza ao Taiwan. Vao haingana, ny 29 MArtsa 2010, Alvin Woon, iray amin'ireo namorona azy dia nandefa ‘plurk’ iray [avy amin'ny mpandika:...
Maraoka: Tandindonin-doza ve ny Kristiana?
Tany amin'ny fiandohan'ny Martsa, nahita ireo mpanara-baovao fa manodidina ny 20 eo ireo mpiasa tranainy tao amina fitaizana zaza kamboty iray no noroahana handao ny firenena izay noraisin'izy ireo ho tanindrazany. Ilay tranga, ary maro hafa no nanaraka azy ity, dia nametraka ho eny aloha indray ny adihevitra momba ny toeran'ny finoana Kristiana ao anatin'ny Fanjakana.
Tonizia: WAT.TV, fahatelo amin'ny tranonkala fifampizaràna video voasakana!
Andro vitsy lasa izay, nosakanan'ny fanjakana Toniziana ny fidirana ho ao amin'ny WAT.TV, tambajotran-tserasera sosialy iray sady tranonkala fifampizaràna media, izay heverina ho ny laharana faha-3 amin'ireo mpandefa video amin'ny...
Libanona: Feo voalohany voarahona
Fantatra ary notsiriritina tany amin'iny faritr'i MENA iny noho ny fahalalahan'ny tontolo virtoaly (cyberspace) nananany i Libanona. Tsy dia izany loatra intsony nony nanamarika ny volana Martsa ny olan'ny sivana aterineto voalohany tao Libanona. Manome antsipirihany maro i Layal Al Khatib ao anatin'ity lahatsoratra ity.
Vazo miteny – Lahatsarin-kira vaovao avy any Tibet
Mitodika any amin'ny “vazo miteny” indray ny bolongana manana tetikasa fandikan-teny High Peaks Pure Earth amin'ny fandikana ny tononkira Tibetana hita amin'ny lahatsarin-kira Tibetana misy mamoaka amin'ny aterineto. Tamin'ny faha-10...
Greenpeace vs. Nestle – manodidina ny fahalalàhana maneho hevitra
Tapa-bolana izao no nahamarihana fa niakatrakatra ny adihevitra manodidina ny fanentanana ataon'ny Greenpeace tato ho ato mikendry manokana ny Nestle noho ny fampiasan'izy ireo ny menaka voanio izay mitarika fahasimbana...