Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2017
Pakistan: Fihaonan'ny Bilaogera Tao Lahore
Tamin'ny 23 Novambra 2008, bilaogera Pakistaney maherin'ny 100 no nihaona tamin'ny fivoriana tao Lahore , fihaonana voalohany tao an-tanàndehibe tamin'ity karazany ity
Rosia: Voaheloka Hiditra Toby Fanasaziana Mandritra ny Roa Taona Latsaka ny Mpitoraka Blaogy Iray ao Tatarstan
Ny 12 Septambra 2008, nitoraka blaogy momba ireo tsaho milaza ny fahafatesan'i Mintimir Shaimiev, filohan'i Tatarstan, i Irek Murtazin, mpitoraka blaogy iray ao Tatarstan. Tamin'ny Novambra 2009, voaheloka ho nanala baraka sy nampirisika ny fankahalan'ny olona i Murtazin ka voasazy hiditra toby fanasaziana mandritra ny herintaona sy 9 volana.
Voararan'ny Fanjakana Ilay Tantara An-tsary Ho An'olon-dehibe Voalohany Indrindra tao Ejipta
Voarara ao Ejipta ny tantara an-tsary ho an'olon-dehibe, "Metro", nosoratan'i Magdy El Shafee, taorianà didim-pitsarana iray. Maneho hevitra mikasika io fanapahankevitra io ireo mpitoraka blaogy sy mampiasa Facebook, izay milaza fa mbola famelezana iray hafa indray ny fahalalahana miteny no miseho.
Maraoka: Anarana Samy Hafa, Tantara Mitovy
Na dia eo aza ny fandrosoana ivelany, niatrika tsy fahombiazana maro ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tato anatin'ny taona vitsivitsy i Maraoka.
Hàlatàhaka Manàla Baràka Mahavoarohirohy Ny Minisitry Ny Siansa Sy Ny Fanabeazana, Miteraka Savorovoro Ao Kroasia
Andianà manampahaizana, tohanan'ireo sonia maherin'ny 11.000 voahangona tety anaty aterineto, no mbola mitohy mitaky ny fanesorana ireo mpanao hàlatàhaka tsy ho anisan'ireo mitàna birao ambony amin'ny asam-bahoaka ao Kroasia.
Tonizia: Ary Tratran'ny Sivana I Arabicca!
Nanapa-kevitra hanohy indray ny famahanana bilaogy tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Toniziana Fatma Arabicca izay voasambotra roa volana lasa izay. Tonga ireo manampahefana nanakana ny lahatsoratra iray monja tao amin'ny bilaoginy vaovao . Naneho hevitra momba ny fandrarana sy ny fanasivanana ireo bilaogy hafa ihany koa ireo bilaogera Toniziana .
Etiopiana Mpanohitra, Nohelohina Enina Taona Am-ponja Noho Ny Lahatsoratra Nalefany Facebook
Mpanohitra tsy mena-maso niteny tamin'ireo valinkafatra feno herisetra nataon'ny governemanta tamin'ny hetsi-panoherana malaza ity mpikatroka vao 30 taona ity. Ary tsy irery izy.
Navotsotra Ilay Bilaogera Ejypsiana Monem
Nandre ny vaovao momba ny famotsorana an'i Monem miaraka amin'ny ahiahy manoloana ny tsy fahatokisana ny fiarovana Ejyptiana ireo bilaogera Ejiptiana.
Emirà Arabo Mitambatra: Lahatsary Mampihoro-koditra Nanafintohina Izao Tontolo Izao
Tamin'ny herinandro lasa, nisy lahatsary manjavozavo efa tamin'ny taona 2005 nivoaka lohatenim-baovao, ary nanafintohina izao tontolo izao. Ny lahatsary, izay navoaka voalohany tao amin'ny ABC News ao Etazonia dia nampiseho an'i Sheikh Issa Bin Zayed al-Nahyan - rahalahin'ny Printsy Sheikh Mohammed ao Emirà Arabo Mitambatra -mampijaly Afgàna mpamboly.
Iran: Ny Zavakanto Hiarovana Hetsi-panoherana
Namolavola sary sy sariitatra mba hanaingona ny zavakanto ho an'ny hetsi-panoherana Iraniana mitohy izay nanomboka taorian'ny valin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 Jona ireo bilaogera sady olom-pirenena mpanakanto an-tserasera