Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2018
Iran: Kabarin'i Ahmadinejad Tao Amin'ny Oniversiten'i Columbia
Nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny media manerana izao tontolo izao ny kabarin'ny filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadineajd tao amin'ny Oniversiten'i Columbia ao New York sy ny teny mafy ary ny tsikera nataon'ny filohan'ny onivesite Lee C. Bollinger nandritra ny fanamarihany tamin'ny Alatsinainy 24 Septambra.
Manao Fihetsiketsehana Ny Bilaogera Filipiana Hiarovana Ny Tranokalam-Baovao Rappler
"Mijoro manohitra ny fihetsika fampanginana sy fandrahonana ny mpanao gazety, ny bilaogera ary ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao izahay satria tsy tia fotsiny ny vaovaony sy ny fomba fijeriny ny Filoha sy ireo mpanohana azy."
Ilay Fahafatesana Tsy Voafaritry ny Fotoana An'ilay Mpanao Gazety Ethiopiana Tany An-tsesitany
Niasa ho mpanao gazety ara-panatanjahantena sy politika nandritra ny efa ho folo taona i Ibrahim, raha tsy hoe voatery nandositra izy tamin'ny taona 2014. Tsy irery i Ibrahim, izay namoy ny ainy teo amin'ny faha-40 taonany.
Mampiseho Fanitsakitsahana Zon'olombelona Any Sahara Andrefana Ireo Mpanatontosa Horonantsary Fanadihadiana Na Dia Eo Aza Ny Fandrahonan'ny Sivana
Mampahafantatra akaiky ny mpijery momba ny fibodoan'ny Maraokana an'i Sahara Andrefana ilay horonantsary .
Netizen Report: Dimy Volana Taorian'ny Fisamboran'ny Houthis Azy, Navotsotra Ilay Bilaogera Mpiaro Ny Zon'Olombelona Hisham Al-Omeisy
Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza amin'ny aterineto manerana izao tontolo izao.
Iharan'ny Fandrahonana Ny Tambajotra Finday Voalohany Ho An'ny Vondrom-piarahamonina Tompotany Ao Meksika
Io no hany tolotra fifandraisandavitra tokana izay hananan'ny vondrom-piarahamonina, tsy taonga tany amin'izy ireo ny tambajotra ara-tantara, tsy nanana tolotra izy ireo, tsy nahatratra azy ireo ny tambajotra, mino izahay fa tokony ao anaty lalàna ny fanafoanana ny fandoavam-bola mazava tsara ho an'ity karazana mpandraharaha ity .
Maraoka: Mahatakatra Ny Sazin'i Mohammed Raji
Toa tsy mahafantatra tsara ny haben'ny akon'ny haino aman-jery ateraky ny fisamborana bilaogera ny Polisin'ny Aterineto Maraokana, izay toa manao asa goavana manenjika ny tontolon'ny bilaogy Maraokana.
Makedonia : Manamafy Ny Filàna Serasera Malalaka Amin'i Gresy Ireo Mpitoraka Bilaogy
Ao anatin'ny korontana anatiny naterak'ireo hetsiky ny Grika hisakanana ny fidiran'i Makedonia ho ao amin'ny OTAN sy ny Vondrona Eoropeana, ary noho ny fitombon'ny isan'ny tatitra momba ny fanafihana ireo Makedoniana mpamily fiarabe ataon'ny hetsika nasionalista any Gresy ( famaliana ôfisialy), dia maro ireo makedoniana mpitoraka bilaogy no miezaka manentsina ny hantsan'ny tsy fahalalàna misy eo amin'ny firenena roa tonta
Thailandy: Mandefa Mivantana Ny Fanonganam-panjakana Ho Anaty Bilaogy
Farafahakeliny blaogy roa no napetraka mba handrakofana fotsiny ny fanonganam-panjakana ataon'ny tafika nitranga tao Thailandy (Septambra 2006)
Nanome Baiko Hanakatona Ny Tranonkalam-baovao Rappler Ny Manampahefana Filipina, Voatohintohina Ny Fahalalahan-Gazety
"Raha misy ity fanesorana fahazoan-dalana ity, hikatona tanteraka ny Rappler - fikambanam-baovao sambany hakaton'ny hetsika ataon'ny governemanta hatramin'ny nanambaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos ny lalàna miaramila tamin'ny taona 1972."