Mpamadika iray isanandro : Ny toetry ny trangana famadihana any Rosia

Sary avy amin'i Valery Tenevoy teo amin'ny Unsplash

Ity lahatsoratr‘i Yulia Selikhova ity dia navoakan'ny Holod Magazine tamin'ny 7 Aogositra 2023. Navoakan'i Global Voices indray ny ampahany voadika sy nokiraina tamin'io lahatsoratra io, nahazoana alalana tamin'ny Holod.

Araka ny antontan'isa tamin'ny fito volana voalohan'ny taona 2023,  i Rosia no nahitana isa ambony indrindra tamin'ny trangana mpamadika Fanjakana ny taona 2023 raha mitaha amin'ny 20 taona teo aloha. Matetika no natao tanaty trano mihidy ny fitsaràna. Raha ireo mpiasa amin'ny orinasam-piarovana, ny tafika ary ireo siantifika manana fahafahana miditra amin'ny tsiambaratelom-panjakana tany taloha tany no nandrafitra ny vondrona natahorana fatratra, ankehitriny kosa, saika ny olona rehetra dia azo ampangaina ho mpamadika avokoa.

Tsy afaka miditra amin'ny antsipirihan'ireny fiampangana ireny ny vahoaka satria ny votoatin'ny tsiambaratelom-panjakana mihitsy no heverina ho antontan-taratasy voasokajy.

Polina Evtushenko, 24 taona dia teraka sy lehibe tany Tolyatti mandrapaham-piampangana azy tampoka ho mpamadika Fanjakana tamin'ny tapaky ny volana Jolay 2023. Ny 1 Martsa 2022, herinandro monja taorian'ny niantombohan'ny fananiham-bohitra tanteraka nataon'i Rosia tao Okraina, teo amin'ny pejiny Instagram i Polina dia nizara rohy fanangonan-tsonia ho fitsipaham-pitokisana an'i Vladimir Putin. Namoaka ihany koa izy lahatsoratra marobe manohitra ny ady. Mety ho ny iray tamin'ireo famoahana Instagram ireo no fototra niavian'ny fiampangana azy.

Ankehitriny, notazonina am-ponja sy nahiboka any amin'ny toby famonjana vonjimaika i Polina, any amin'ny vohitr'i Kryazh, ao amin'ny faritra Samara, lavitra ny zanany vavy.

“Mpitsikilo” sy “Mpamadika”

Tao anatin'ny fito volana voalohany tamin'ity taona ity fotsiny dia nitombo efatra heny noho ny tamin'ny taona 2022 manontolo ny trangana famadihana (tranga in-82 tamin'ny volana Janoary ka hatramin'ny volana Jolay 2023, raha 20 izany tamin'ny taona 2022).

Evgeny Smirnov, mpisolovava avy ao amin'ny Perviy Otdel [fikambanan'ireo mpisolovava tsy mitady tombony izay manohana amin'ireo tranga politika any Rosia] dia manamarika hoe: “Maro amin'ireo raharaha izay narahanay  teo amin'ny tranonkalan'ny fitsarana no tsy ampy antontan-taratasy mikasika ilay raharaha. Inoako fa mbola avo roa heny angamba ny isan'ireo tranga raha ny tena marina.”

Midadasika sy manjavozavo loatra ny teny sy andininy rehetra ao anatin'ny lalàna misy ankehitriny, ka mampanano sarotra, na ho an'ireo mpisolovava na ho an'ireo mpampihatra ny lalàna ny hanazava ilay lalàna amin'ny fomba mazava. Araka ny voalazan'i Smirnov, saika ny olona rehetra tsy dia mahalala loatra ireo tena trangana famadihana dia mety hamoaka tsy nahy ny tsiambaratelom-panjakana mandritra ny resaka iray tsy misy dikany.

Trangàna famadihana iray isanandro

Niova be ny fizarazarana ara-jeografikan'ny raharaha heloka bevava. Nilaza i Smirnov hoe : “Taloha, ny 90% tamin'ireo tranga dia nivangongo tany Moskoa, ny 10% ambiny tany Krasnodar, Saint-Petersbourg ary indraindray tao Khabarovsk.” Na izany aza, taorian'ilay fananiham-bohitra midadasika,  nanjary nateti-pitranga tao amin'ny faritra ny trangana famadihana sy fitsikilovana.”

Tany am-piandohany, nandany fotoana betsaka ny fanadihadiana tany amin'ireo faritra. “Ankehitriny, nohafainganin'ny FSB izany : amin'ny ankapobeny dia raharaha heloka bevava manodidina ny 20  eo ho eo no atomboka isam-bolana”, hoy ny ambaran'i Smirnov. “Midika izany fa raharaha iray isaky ny andro fiasana no vitaina“.

Natao ny 9 Janoary, andro fiasàna voalohany ho an'ny taom-baovao, ny tranga voalohany fiandaniana amin'ny fahavalo ho an'ny taona 2023. Lazain'ny tatitra fa ilay voafonja dia “nikasa handeha ho any Okraina mba handray anjara amin'ny ady eo anilan'ny USV”. “Tsy fantatra ny antsipirihany tsirairay amin'ity raharaha ity : nampirimina izany.

Manamafy i Smirnov fa lamina iray no arahan'ireo mpanao fanadihadiana : “Taratry ny tranga iray hafa ny tranga iray, ny anarany fotsiny no miova”. Nambarany tamin'ny Holod ihany koa fa vao haingana ireo mpisolovava ao amin'ny “Perviy Otdel” no naharay fijoroana vavolombelona marobe milaza fa nampijaliana ireo voafonja.

Tsy misy fanafahana

Araka ny voalazan'ny Holod, teo anelanelan'ny 1 Janoary sy ny 31 Jolay 2023, ny haino aman-jery dia namboraka didim-pitsarana, fara-fahakeliny 22, mahakasika ireo raharaha famadihana. Ny salan'isa ho an'ireo “mpamadika” dia 11,5 taona an-tranomaizina arahana fomba fitondra henjana no sazy fanagadrana. Hatramin'izao, tsy mbola nisy na iray aza ny fanafahana madiodio tamin'ny trangana famadihana.

Tamin'ny telovolana voalohany tamin'ny 2023Amin'ireo olo-malaza voaheloka noho ny famadihana , anisan'ireny ny mpanao politika Vladimir Kara-Murza (voaheloka 25 taona an-tranomaizina ao anatina andiany misy fomba fitondra henjana), ny mpandraharaha sy mpanorina ny Groupe-IB Ilya Sachkov (14 taona an-tranomaizina ) sy onitra 5 500 dolara), ary ilay siantifika Valery Golubkin (12 taona).

Na izany aza, ireo olom-pirenena Rosiana tsotra no tandindonin-doza.

Lalao tsy misy fitsipika

Resy lahatra i Evgeny Smirnov fa ireo trangana famadihana sy fitsikilovana ireo dia tena ilain'ny Fanjakana hitazonany ny fihenjanam-piarahamonina. “Rehefa voafaritra mazava “ny tsipika mena”, dia fantatry ny olona iray izay azo atao sy izay tsy azo atao. Tao anatin'ny taona vitsivitsy lasa dia minia mamolavola lalàna ny Fanjakana mba tsy ho fantatry ny olona iray fa kosa ho tsapany fotsiny izay tokony atao sy izay voarara”, hoy izy.

Tamin'ny 21 Jolay, ny raharaha heloka bevava voalohany tao Rosia dia mahakasika ny fandefasana vola nankany Okraina tamin'ny fampiasana ny ‘cripto-monnaies’.

Tsy niahiahy mihitsy ilay tovovavy Polina Evtushenko hoe ny namoahany ny lahatsorany teo amin'ny Instagram izay nahazoany tiako valo monja dia mety heverina ho toy ny famadihana Fanjakana. Nampahafantatra tamin'ny Holod i Evgeny Smirnov fa mety higadra hatramin'ny 15 taona izy.

Rahampitso, n'iza n'iza dia mety ho voampanga ho mpamadika fanjakana avokoa.

Ny hany fomba tokana tsy ho voatohintohina dia ny fialàna amin'ny resadresaka rehetra miaraka amin'ireo vahiny, ny tsy famakiana na fijerena vaovao afatsy amin'ny haino aman-jerim-panjakana, mampiseho tsy fahalianana amin'ny zavatra rehetra, ary tsy manontany n'inon'inona amin'ny namana na tsy mamoaka n'inon'inona amin'ny tambajotra sosialy. Tahaka izay nosoratan‘i George Orwell hoe : “Raha tianao tsy hivoaka ny tsiambaratelo, aza ampahafantarina na dia ny tenanao akory aza”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.