Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2017
Atahorana ny Fahasalaman'i Nasser Bin Ghaith, Mpampianatra Ambony Emirati Arabo Mitambatra Gadraina, Hoy ny Vondrona Mpiaro Ny Zo
Notazonina tsy nahazoam-baovao nandritra ny sivy volana i Bin Ghaith ary tsy nahazo sakafo sy akanjo ara-dalàna. manahy ny fahasalamany ankehitriny ireo mpanohana azy.
Naseho Teo Anatrehan'ny Fitsarana Tampony ao Maoritania Ilay Bilaogera Efa Nomelohina Ho Faty Tamin'ny Voalohany
Tamin'ny taona 2014 , nosamborina sy nomelohina ho "nivadi-pinoana" i Ould Mkhaitir noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratra iray niresahany ny rafitra fanavakavahan-tsaranga ao Maoritania .
Ny Fanehoan-kevitr'i Afrika Mpiteny Paortigey Manoloana ny Fahafatesan'i Mário Soares
Ho entinay ato amin'ity lahatsoratra ity ireo fanehoan-kevitra momba ny fomba fijerin'ny olona sasany ny fahafatesany any amin'ny firenena PALOP amin'ny sehatra isan-karazany.
Tsikerain'ny Mpanao Gazety sy ny Media Sosialy Tao An-toerana ny Fitsidihan'ny Filoha Erdogan Tao Mozambika
Tsy nandalo fotsiny imason'ny Mozambikana ny "fanadiovana", izay managadra olona an'arivony, ataon'i Erdogan ao Torkia.
Matahotra Ny Mety Ho Fanakatonana Ny Aterineto Mandritra Ny Fifidianana Filoham-pirenena 2017 Ireo Keniana
Tsy firenena voalohany ao Afrika amin'ny fanakatonana ny Aterinetony mandritra ny fifidianana i Kenya - efa lasa lavitra momba izany i Ogandà sy i Gambia .
Mikarakara Fifaninanana Tantara Fohy Ho an'ny Gadra ao Polonina Ilay Britanika Mpanoratra Tantara Horohoro, Graham Masterton
"Afaka manoratra izay tian'izy ireo ny gadra. Na dia mihidy ao am-ponja aza, te hahita azy ireo hampiasa malalaka ny eritreritr'izy ireo aho."
Netizen Report: Didian'i Bahrain ireo Mpampahalala Vaovao Mba ‘Tsy Hampiasa Ny Fitaovan'ny Haino Aman-Jery Elektronika’
Mihatoka, manaiky ny 'Facebook Bill' ireo mpanao lalàna Israeliana, naaton'i Oman ny fanenjehana ireo mpisera amin'ny Facebook ho an'ny fahalalahana miteny, ary atahoran'ireo mpisera ny fanakatonana ny aterineto amin'ny andron'ny fifidianana.
Tsara sy Eo Ho Eo ihany, Izay Niova Tao Rosia Ny 1 Janoary 2017
Tsara na ratsy, ireo fiovàna ho hita eo amin'ny fiainana andavanadron'ny Rosiana ho entin'ny fomban-drazan'ny 1 Janoary amin'ny fepetra fanaovana lalàna.
Bangladesh : Herisetra Naharitra Herintaona
Nilaza ho tompon'antoka tamin'ireo fanafihana mahery setra nanjo ireo olontsotra sy nahita fianarana ny EI, Ansar al-Islam ary koa ny Ansarullah Bangla Team. Hoavy manakory no ho an'i Bangladesh ?
Nahazo Sazy 42 Taona An-tranomaizina Ilay Mpanao Lalana Koesiana Taloha Noho Ny Sioka Nalefany ‘Manevateva An'i Arabia Saodita’
Mpitsikera an'i Arabia Saodita i Dashti, indrindra ny adin'i Arabia Saodita amin'i Yemen. Fantatra amin'ny fanohanany mampiadi-hevitra an'ilay mpanao didy jadona Syriana Bashar al-Assad ihany koa izy.