Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jona, 2016
Melohan'ny Fitsaràna Indiana Ny Biraon'ny Horonantsary Noho Ny ‘Fanivanany’ Sarimihetsika Miresaka Fihinanana Rongony
Miaraka amin'ireo tranganà sivana maro sy fibahanana mikendry ny 'fahalalahana miteny', misikina ireo fomba rehetra amin'ny fanandramana ny hamoaka ny horonantsary Bollywood, tsy asiana fanatapahana goavana.
Miboridana Sady Miasa Ireo Belarosiana ( Baikon'ny Filoha)

Nanala ireo akanjony tao amin'ny toeram-piasana ireo mpisera aterineto Belarosiana, rehefa lasa nalaza ny lahatsary misy ny kabarin'i Filoha Lukashenka
Tanzaniana Iray Notoriana Noho Ny ‘Fanevatevana’ Ny Filoha Tao Amin'ny WhatsApp

Mulokozi no olona tratra farany tao Tanzania tamin'ny fandikana ny Lalàna vaovaon'ny heloka an-tserasera, izay miezaka hamaha ny olana toy ny sary mamoafadin'ny zaza , ny fandrahonana amin'ny aterineto, ny fisolokiana an-tserasera , fakana tsy ara-dalàna ny fifandraisana, sy ny famoahana vaovao tsy marina
Tsy Misy Firenena Ho An'ny Fampihomehezana? Manenjika Ilay Indiana Mpanao Hatsikana Amin'ny Lahatsary Snapchat Ireo Mpanao Politika

Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ary nandrahona an'ilay mpanao hatsikana, noho ny nandefasany lahatsary mananihany miresaka ireo Indiana olo-malaza roa ireo antoko politika avy amin'ny elatra havanana Indiana.
Miresaka Fahalalaham-Pitenenana Amin'ny Alalan'ny Mini-Video Ny Tanora Makedoniana
"Ny zava-dehibe tokony ho takatry ny tanora dia ny tsy hamelanao azy ireo hikombom-bava, amin'izay fomba hanaovanao azy."
Manameloka Ny Praiminisitra Ho Mihatsaravelatsihy Tamin'ny ‘Eritreriny Sy Ny Vavaka’ Nataony Ho An'i Orlando Ny Fiarahamonina LGBTQ Ao India
"Tsy ampy litera dimy manan-danja ny siokanao misy litera 110. Endri-tsoratra dimy izay manambara ny marina fa ny governemantanao dia tsy mety manaiky ny fisian'ny LGBTQ '!"
Fihetsiketsehana Manerantany Mitaky Ny Rariny Ho an'ny Mpikatroka Angoley Nogadraina Herintaona Lasa Izay
"Satria mila ny rehetra te hanampy hanorina Angola tsara kokoa ho afaka hanao izany izahay, satria tsy ady ny fihetsiketsehana,..." fihetsiketsehana fitakiana ny famotsorana ireo gadra politika.
Bilaogera Notorian'ny Bankim-pirenena ao Kenya Noho Ny Lahatsoratra Bilaogy “Manala-baraka”

Notorian'ny banky ilay bilaogera mampiady hevitra Cyprian Nyakundi tamin'ity volana ity noho ny andian-dahatsoratra momba ny banky. Mamaritra ny tenany toy ny "bilaogera Kenyana liana amin'ny politika, fitantanana, hosoka amin'ny orinasa sy tantara mahaliana momba ny olombelona i Nyakundi."
Hanao Hetsika Ho Amin'ny “Zo Hanam-Panantenana” Ny Mozambikana
Nampitondraina ny anarana “Ho amin'ny zo hanam-panantenana”, manomana fihetsiketsehana milamina ny vondrom-piarahamonim-pirenena, hanoherana ny tsy fahaizan'ny mpitondra mamaha ny olana.
Nahitana Fitaovana Mampiahiahy Tao Amin'ny Biraon'ny Mpandini-dRaharaham-Pirenena Hongroà Iray Ka Nahatonga Ahiahy Fitsikilovan'ny Fanjakana

Nosavaina ny biraon'ny Ekint taorian'ny nilazan'ny lehiben'ny biraon'ny Praiminisitra fa manodikodina ny politikan'ny fifindra-monin'ny firenena amin'ny alalan'ny fikambanana naoriny ilay mpandraharaha Hongroà-Amerikana George Soros.