Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Febroary, 2018
Serbia: “Fasisma Miafina”
Aingam-panahy avy tamin'ny lovan'ny mpikatroka Afrikanina Amerikanina Audrey Lorde, nanameloka ny mpiray tanindrazana aminy, bilaogera Serba, amin'ny fahanginana momba ny heloka bevava miseho ao amin'ny tokotanin'izy ireo ihany. Nandika sombiny izay avy amin'io lahatsoratra mahaliana io i Sinisa Boljanovic
Maraoka: Hajj sy Vodka, Fez ilay Fifanolanan'ny Fotoana, Ary Ireo Antony Folo Voalohany Hanivanan'ny Maraoka Telecom
Manontany ny antony anivanan'ny Maroc Telecom? Inona no mampiaraka ny hajj sy ny vodka? Ahoana no ataonao mba hivoahana any an'habakabaka? Manana ny valin'ireo fanontaniana ireo i Jillian York ary maro hafa tao anatin'ny fitetezana ny blaogy Maraokana.
Mamelom-panantenana Ny Mpamaky Ny ‘Gazety Tokana Miabo Ao India’
"Tsapantsika fa raha toa ka miteraka hetsika miiba ny vaovao sy tantara miiba, nahoana ary no tsy mamoaka sy manolotra tantara tsara izay afaka mitondra fiantraikany tsara kokoa."
Eoropa Atsinanana : Lahatsary Maneho Fa Mihakatra Be ny Tahan’ny Fankahalàna Ny Fiarahan'ireo Mitovy Fananahana
Notanterahana ny 20 Sept 2006 tao Maosko ny hetsika farany mikasika ilay tantara mitohy ho fanoherana ny herisetra atao amin’ireo lahy samy lahy miaraka ary ny famoretan’ny fanjakana
Tatitry ny Mpisera: Anaty Antontan-taratasy Niporitsaka, Tenenin'ny Kaomisiona Eoropeana Mba Hifehy Ny Tenany Tsy Hanao Kabary Mandratra Ireo Orinasa Momba Ny Teknolojia
Ny tatitry ny mpisera Advox dia manolotra topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena, ary ireo fironana mipongatra momba ny zo amin'ny aterineto manerana izao tontolo izao.
Hetsi-panoherana Faobe Tao Iràna, Fanadihadiana Ny Amin'ny Fototra Nipoirany
Inona moa izany no mahasamihafa azy io amin'ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2009, ary nahoana no mieritreritra ny olona sasany fa manan-danja kokoa noho izay nieritreretana azy ny ady atrehana amin'ity.
India: Eo Anelanelan'i Tibet Sy Shina
Nandritra ny andro vitsivitsy lasa izay, nifantoka tamin'ny fandaminana ny fitroaran'i Tibet sy ny Governemanta Shinoa ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, saingy ao India, nahitana adihevitra maromaro mikasika ireo hetsik'i Shina ao Tibet sy ny andraikitr'i Tibet ao anatin'ireo fifandraisana misy eo amin'i India sy Shina....Tsy azoko mihitsy ny mbola tokony hanaovantsika 'tango' miaraka amin'i Shina. Manahy ve isika satria tsy afaka milalao an'ireo kilalao feno poizina mora vidy ireo zanatsika? Tsy ho gaga aho raha toa ny governemanta hamàny ampataloha
Mpampianatra Ao Amin'Ny Oniversite Gambiana Voasambotra Noho Ny Antsafa Tamin'ny Gazety, Navoaka Rehefa Avy Eo
"Nifidy ho an'ny fiovana RAFITRA isika, FA TSY Filoha fotsiny"
Noho Ny Fanangonam-bola Avy Amin'ny Mpamaky, Hampiakatra Ny Raharaha Nitorian'ny Orinasa Fitrandrahana Volamena Azy Ny Tranonkalam-baovao Malaysiakini
Mety hitarika ny haino aman-jery tsy hamotopototra sy hitatitra ny olana momba ny tombontsoam-bahoaka izay mahakasika ireo orinasa lehibe izany. Fa vao mainka hampihena ny fahalalahan'ny media ao amin'ny firenena.
Milaza Ny Mpanohitra Ao Borondia Fa Ny Vato ‘Eny’ Amin'ny Fitsapa-kevi-bahoaka Ihany No Ahafahana Manalava Ny Fitondran'ny Filoha
Mitodika amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka, izay ho atao amin'ny volana May, mikasika ny fanovàna lalàm-panorenana izay ahafahan'i Nkurunziza mijanona eo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 2034 ankehitriny ny governemanta. Fantatra fa ho atao amin'ny taona 2020 ny fifidianana.