Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2016
Maneso ny Fampirafesan'i Mark Zuckerberg Amin'i Shina Ireo Mpiserasera
"Mark, 6 no fitambaran'ny isan'ny olonanao ao anatin'ny tarika mpihazakazaka. Efa nahazo ny fahazoandalana mihazakazaka teny an-dalambe ve ianao? Raha tsia, tsy ara-dalàna izany eto Shina."
Hisokatra Ao Rosia Ny Foibe Fanarahamaso ny Propagandy sy ny Fandisoam-Baovao Ato amin'ny Aterineto
Efa manana sampan-draharaha miasa amin'ny fanoherana sy famaliana ireo fanafihana an-tserasera i Rosia, saingy ny foibem-baovao ao Innopolis no ho voalohany amin'izany karazany izany, dia ny fanaraha-maso sy fisorohana ny fanafihanam-baovao amin'ny aterineto.
Polisin'i Moskoa Voarara Miresaka Asa Ao Amin'ny Media Sosialy
Tsy azon'ny polisin'i Moskoa iresahana lohahevitra miompana amin'ny asa na fifanakalozana lahatahirim-pampiharan-dalàna amin'ny fomba ofisialy intsony ankehitriny ny VKontakte, Facebook, Twitter, Telegram ary ny WhatsApp.
Fitsarana Any Maraoka: Nahemotra Indray Ny Fitsarana Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona
Anisan'ireo voampanga i Hicham Khribchi na i Hisham Almiraat , dokotera mpitsabo sady mpikambana tranainy ato amin'ny Global Voices
Tian'ny Mpanelanelana Serbiana Ho Roahana Ny Lehiben'ny Mpitandro Filaminana Any Belgrade Noho Ny Fanohintohinany Ny Asan'ny Mpanao Gazety
“Nisy fampiasàna hery tsy ara-dalàna, nisy fandrahonana... Maro ny hadisoana vita,”
Nolazain'i Yahoo Ny Fangataham-Panesoram-Botoaty Voalohany Avy Amin'ny Governemanta Rosiana
Sambany i Yahoo nitatitra ho nahazo fangatahana fanesoram-botoaty avy amin'ny governemanta rosiana amin'ireo servisy tahaka ny Flickr sy ny Vondrona Yahoo.
Nodarohan'ny Polisy Nizeriana i Yomi Olomofe, Rehefa Niharan'ny Herisetra Tamin'ny Herintaona Satria Nanao Tatitra Kolikoly
"Ny lasibatry ny nokasain'ny sasany hovonoina no samborin'ny polisin'i Nizeria hanomezana vahana ireo mpanafika azy sy ny fadin-tseranana."
Nanangana Sendika Mahaleotena Vaovao Ny Rosiana Mpanao Gazety
Nanangana sendika ara-barotra mahaleotena voalohany ho fampiroboroboana ny firaisankinan'ny mitovy asa sy hanolorana fanohanana bebe kokoa ho an'ireo mpanangom-baovao miasa ao amin'ny firenena ny Rosiana mpanao gazety.
Lasa Heloka Bevava Ve Ny Filazana Fisiana Kolikoly Ao Botsoanà ?
Zava-dehibe ve ny fomba fahazoan'ny mpanao gazety vaovao hilazana ny kolikoly??
Inona No Anton'ny Famoretana Ataon'i Shina Amin'ny Raharaha Ren Zhiqiang
Nanjary fitsapan-kafanana ara-politika mikasika ny toe-tsain'i Xi manoloana ireo fahasamihafana ara-poto-kevitra misy ao anivon'ny antoko ny raharaha, miaraka amin'ny fampanginana an'i Ren, ka lasa mampanontany raha misy olona afaka manasokajy ny tenany ho tsy misy ahiana amin'ny fanadiovana [olona] ara-politika rahatrizay.