· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2010

Sivana any Singapore

Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore. Maneho hevitra ireo mpitoraka blaogy.

26 Jolay 2010

Roanda: Fisavoritahana mialoha ny Fifidianana Filoham-pirenena, afa-tsy ho an'i Kagame

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny fampielezan-keviny ho amin'ny fotoam-piasana hafa indray ao amin'ny biraony ny Filohan'ny Roanda amperin'asa, Paul Kagame. Mifarana amin'ny faha 9-n'ny volana Aogositra ny fampielezan-kevitra rehefa voalahatra fa havoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana, manomboka amin'ireo fisamborana ka hatramin'ireo fifamonoan'olona .

24 Jolay 2010

Inde: Avy amin'ny tora-bato teny an-dalamben'i Kashmir ka hatramin'ny fanoherana ny Facebook

Mangotraky ny fihenjanana sy ny haromontana amin'ireo herim-piarovana Indiana izay nahafaty tanora mpanohitra maromaro , ny Indiana mitantana an'i Kashmir . Natao ny fanakanana ny simaiso (SMS) hanakanana ireo tsaho ary miha-miankina hatrany amin'ireo fitaovan'ny haino aman-jery ara-tsosialy hizaràna ny vaovao sy hitondra ireo fanoherana atao azy ireo ny tanora Kashmiri .

22 Jolay 2010

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

19 Jolay 2010