Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Oktobra, 2013
Lasa Tsenaben'ny Fanaraha-maso Ara-Teknolojia i Brezila
Fanararaotran'ireo goavana iraisampirenena momba ny fanaraha-maso nomerika indray i Brezila noho izy mampiatrano ny Mondialy sy ny Lalao Olaimpika.
Manambany Ilay Lehiben'ny Google Teo Aloha Tao Shina, Lee Kaifu Ny Lahatsoratry ny Antoko Shinoa
Any amin'ny toe-pahasalamany indray no hamelezan'ny sasany ireo malaza eo amin'ny sehatry ny serasra ao Shina ao.
Nibahana Tamin'ny Blog Action Day Tao Brezila Ny Fahalalaham-pitenenana sy ny Zo Hahazo Vaovao
Mbola olana horesena ao Brezila ny sivana antserasera sy ny famoretana ataon'ny polisy eny an-dalambe. Manoratra ireo bilaogera.
Natokana Efitra Ireo Ankizy Gadra Saodiana
Rehefa avy nanao fihetsiketsehana "tsy ara-dalàna" , voatàna ao Arabia Saodita ny fianakavian'ireo gadra, anisan'izany ireo ankizy izay tsy navela hihaona tamin'ireo havany nandritra ny Eid Al Adha.
Madagasikara: Betsaka Ny Lesoka Tamin'ny Fifidianana #mdg2013
Tsindrian-daona nandritra ny fotoana ela ny vahoaka niandry na ho tanteraka ihany na tsia ny fifidianana. Tontosa soa aman-tsara izany na teo aza ny tsy fahatomombanana maro isan-karazany tsikaritra nandritra ny fanomanana, nandritra ny andron'ny fifidianana, ary indrindra fa nikasika ny ora nolazaina fa hikatonan'ny birao fandatsaham-bato.
Nahoana No Any Am-ponja i Sonia Garro, ilay Kiobàna Mpanohitra ?
Mpikambana ao amin'ny mpanohitra "Damas de Blanco", fikambanan'ny vehivavy mpanoro hevitra ho an'ny fanafahana ireo gadra politika any Kiobà i Garro.
Madagasikara: Mafàna ny fara-doboka
[...]Fa ny tsy tokony ho adinon'ny tsirairay, na mpifidy izy na mpifaninana dia ny fiarovana ity fifidianana ity ho anaty mangaraharaha sy hilamina. Tsy sanatria hatoritory ka tsy hanara-maso ny fandehany, mialoha, mandritra ary aorian'ny latsa-bato.[...]
Afaka Atao Fonenana Ve Ao? Tsy Fisianà Sisintany & Mponina Anaty Aterneto
Ny firenena, ny tany, ary ny fiaviana dia mbola loha laharana hatrany ary tena manan-danja hatrany tokoa eo amin'ny sehatra maro, kanefa efa tsy dia voafaritra mazava tsara intsony na tsy voafehy toy ny teo aloha intsony.
“Ny Vatako No Fitaovam-piadiako!”, Femen Ao Espana Mitaky Ny Zo Ho Amin'ny Fanalàn-jaza
"Mazava hoazy, hanohy ny hetsika ataonay hatrany izahay, mazava hoazy fa hanohy ny hetsi-panoherana izahay," hoy Lara Alcázar, mpitarika ilay fikambanana Hetsika Femen ao Espana.
IBM Sy Cisco, Mamatsy Fitaovam-panaraha-maso An'i Brezila Ho An'ny Fiadiana Ny Tompon-daka Eran-tany.
Miaraka amin'ilay vinavina hanao seho goavana, lasa zava-dehibe ho an'ny orinasa misahana ny fanaraha-maso i Brezila.