Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2022
Fifehezana ny fakom-baovao : ny fomba nivadihan'ny lalàna momba ny fandisoana vaovao ho lasa fitaovana enti-manivana
Lasa fitaovana fanarahamaso, fampanginana sy fiadiana amin'ny mpanohitra, ampiasain'ireo mpanolotra volavolan-dalàna any amin'ny firenena sasantsasany ny hoe "fakom-baovao" sy "fandisoana vaovao".
Nanome rariny ireo mpanao gazety Makedoniana voaheloka noho ny fanalam-baraka ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona
Tamin'ny taona 2014 sy 2015, tsy maintsy nandoa vola maherin'ny 9.000 euros ireo mpanao gazetin'ny Focus ho onitra ho an'ny talen'ny Fitantanana ny Fiarovana sy ny Fitsikilovana Mpitsikilo (Administration for Security and Counterintelligence - ASC) teo aloha Sašo Mijalkov noho ny fanalam-baraka sy fanevatevana
Amrit Sufi, nitondra ny teny Angika tandindonin-doza amin'ny sehatra nomerika
Niantsafain'ny Rising Voices i Amrit Sufi, mpikaroka sady mpampianatra ambony miasa amin'izao fotoana izao amin'ny fandraketana ankihy ny fiteny sy ny kolontsaina am-bava tandindomin-doza any India.
Mafotaka ny adin'ny media ao Kiobà momba ny adin'i Rosia sy Okraina
"Ao anatin'ny ady ideolojika ataony, sehatra iray manana laharam-pahamehana ambony be ho an'ny fitondràna ao Kiobà ny tanora"
Vondrona mitaky ny hamotsorana ireo mpikatroky ny Mother Nature mpiaro ny tontolo iainana
"Tokony ho deraina ny asa izay ataon'ireo mpikatroka mafàna fo fa tsy ho hosakanana", ary tokony ho henoina ny feon'izy ireo fa tsy hampanginina."
Tohin'ny fananiham-bohitra tao Okraina, mamaky ady amin'ireo olompireneny i Rosia
Manoloana ireo sazy mavaivay sy ny fanenjehana ara-tsôsialy, vao mainka mampidi-doza ny maneho hevitra manohitra ny fitantaràna ofisialy an'ny Governemanta.
Podcast: Inona ny Unfreedom Monitor?
Mihaino an'i Nanjala Nyabola, Talen'ny Advox milaza momba ny tetikasa fikarohana nataony, Unfreedom Monitor isika amin'ity herinandro ity.
Nanao diabe nanohitra ny volavolan-dalàna mifehy ny fikambanana tsy mitady tombontsoa ireo mpanao fihetsiketsehana Thailandey
"Ampiasaina ny lalàna mba hampanginana anay sy hanakanana anay tsy hivory. Saingy mbola mivondrona ho fanoherana ary vonona amin'izay fiampangana manaraka izahay."
Noraràna vonjimaika nandritra ny fihetsiketsehana ny sehatra media sosialy tao Sri Lanka
Naverina tamin'ny laoniny ny sehatra media sosialy ao Sri Lanka, anisan'izany ny Facebook, YouTube, Twitter, WhatsApp, ary Viber, taorian'ny fandraràna 16 ora mba hampitsaharana ny hetsi-panoherana ny governemanta ao anatin'ny fitohizan'ny krizy ara-toekarena.
Atolotry ny Global Voices Advox ho anao ny tetikasany vaovao “The Unfreedom Monitor”
Ny The Unfreedom Monitor dia fisantarana andraikitra mamakafaka ny fitomboan-trangan-tsirefesimandidy mitambajotra na ankihy. Avoitran'ny tatitra tany am-piandohana ireo kasinga mitarika anakany amin'ny fielezany.