· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2017

Kolombia: Ny Fanakatonana Ny Gazetiboky Cambio

Nakaton'ny tompony ny gazetiboky Cambio, fantatra amin'ireo tatitra fanadihadiana fanaony. Fanakatonana izay lazaina fa noho ny antony ara-bola. Kanefa ho an'ireo mpanao gazety, dia antony ara-politika no nanosika ny fandraisana fanapahankevitra.

30 Jolay 2017

Masoarabo: Mitohy ny Ady an'Aterineto ao Ejipta

Taorian'ny fanelingelenana, famotopotorana ary fitazonana ny bilaogera, dia mbola mitohy ny ady an'aterineto ao Ejipta, ary tany amin'ny tena mandratra mihitsy izany tamin'ity indray mitoraka ity - ny poketra! Tahaka izao no namalian'ny bilaogera ejipsiana ny fampakaram-bidin'ny aterineto izay hatomboka amin'ny volana septambra

28 Jolay 2017

Kurdistance… [Fijoroana Kiorda]

Nitranga tamiko ny zavatra tena mahatsiravina indrindra....ny fifamoivoizam-baovao RSS ho an'ny bilaogy Kiorda, nanjavona avokoa ny vaovao rehetra. Ka amin'ny fiatrehana ny olana, dia hamela olona vitsy ny lahatsoratra androany. Soa fa tsy very ny asako rehetra satria mbola azo jerena ao amin'ny tranonkala bilaogiko ny vaovao RSS rehetra.

27 Jolay 2017