Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2024
Diapora rosiàna nanatevina laharana ireo fihetsiketsehana erantany nanamarihana ny tsingerintaona voalohan'ny fananiham-bohitry ny Rosiàna any Okraina
Ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany an'ilay fananiham-bohitra rosiàna tao Okraina, miditra an-tsehatra amin'ireo hetsipanoherana imasom-bahoaka maneran-tany ireo Rosiàna any am-pielezana, indrindra fa ireo ao Berlin sy Prague
Azoko nofy ny hoe novonoin'ny miaramila tao Iràna aho
Ny dia an-tsesitanin'ilay vehivavy iraniàna mpilalao sarimihetsika raha izy nivezivezy teo anelanelan'i Alemaina sy Iràna, tsy mitsahatra ny miasa saina momba azy azo sary tsy misarona "hijab", mandra-pidirany tao anatin'ny hetsika « Vehivavy, fiainana, fahalalahana »
Solontenan'ny Reporters Sans Frontières tsy nekena hiditra ao Hong Kong
Nosavaina sy nohadihadiana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina ny solontenan'ny RDF tamin'ny 10 Aprily 2024 mialoha ny nandroahana azy hivoaka ny firenena.
Fehezin'ny manampahefana mafy ny fahalalahanan'ny vahoaka ao Jordania
Fahatezerana sy fahasorenana teo amin'ny vahoaka Jordaniana noho ny tsy fahitana fandraisana andraikitra avy amin'ny governemanta amin'ny fanohanana ny Palestiniana sy ny fanamelohana ny hetsika Israeliana, ary koa ny valin-kafatra nataony tamin'ireo fihetsiketsehana goavana mitohy.
Inona no ao ambadik'ireo ‘hirika volamena’ entin'ilay fiarahamiasa vaovaon'ny vondron'orinasa media maleziàna Star amin'ilay mpiaramiasa aminy avy any amin'ny tanibe Shina
Ny fanjakana shinoa no hany tokana tompon'ny petrabola ao amin'ny Contemporary World Publishing Co., Ltd,, ilay orinasa ao ambadiky ny Contemporary World Magazine, mpiaramiasa farany indrindra ao amin'ny Vondrona Media Star.
AfrikElles, media tôgôley mametraka ny vehivavy afrikàna ho ivon'ny matoandahatsorany
Ao Togo, ny AfrikElles no iray amin'ireo fampahalalam-baovoa tena vitsy sy mampiasa ny teny frantsay miresaka ny andavanandrom-piainan'ny vehivavy amin'ny fametrahana azy ireny ho ivon'ny matoandahatsorany.
Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine
Mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena. Nitady fomba hanaovana 'fialam-boly' izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana.
Resadresaka nifanaovana tamin'i Joel Schalit, mpanao gazety israeliana-amerikana: ‘Tian'ny governemanta israeliana hatsahatra amin'ny fomba ofisialy ny demokrasia’
Nitafa tamin'i Joël Schalit, mpiara-manorina ny The Battleground, momba ny adin'i Israely amin'i Gaza ny Global Voices. Mpanao gazety Israeliana-Amerikana i Schalit, mitantara ny politika Eoropeana sy Afovoany Atsinanana, isan'izany ny ho an'ny media Israeliana.
Nitambatambatra ho fanilikilihana ireo lalàna fanitsiana ny zom-pirenena ao India
Nipoaka nanerana ny firenena ny hetsi-panoherana tsindraindray taorian'ny nampiharan'ny governemanta Indiana ny Lalàna Fanitsiana ny maha-olom-pirenena 2019, herinandro vitsy monja talohan'ny fifidianana ankapobeny ho avy any India.
Ao Brezila, hatramin'ny nitondran'i Bolsonaro, nihena ny daroka mpanao gazety fa mitombo ny fitoriana eny amin'ny fitsarana
Nasehon'ny firaketana (andron-drakitra fa nihena ho 181 tamin'ny heriantaona ny karazan-kerisetra nihatra tamin'ny matihanin'ny fampitam-baovao, raha nitombo 92,31 isanjato kosa ny fitoriana mpanao gazety teny amin'ny fitsarana.