Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2022
Mipongatra ao Serbia ny kabarim-pankahalàna mialoha ny EuroPride 2022 ao Belgrady
Somary nitombo kely ny fandisoana vaovao sy kabarim-pankahalana atao amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+ sy mpiaro zon'olombelona, raha eo am-piomanana handray ny EuroPride 2022 ny renivohitra Serba, Belgrady
Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe
Efa vita tatitra momba ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Zimbaboe izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Toy ny làlana fianarana ho an'i Sri Lanka no fahitàny ireo fihetsiketsehana tao GotaGoGama
Volana iray taorian'ny nikatonan'ny GotaGoGama, manontany tena ny olona ny amin'ny fomba nampiorim-paka ny hevitra nentiny ho ao an-tsain'ireo an'arivony marobe nirotsaka an-tsehatra ho ao anatin'io habaka fianarana io.
Fikambanan'ny mpanao gazety ao Makedoniana Avaratra, manameloka ny rahom-bava natao tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety
Vehivavy iray mpanao gazety nanamarina ny banga tamin'ny asan'ireo mpanala fako ao Skopje no norahonan'ireto farany tamin'ny filazàna fa mety hitera-doza izany ho an'ny tenany, ny fianakaviany ary na dia ny alikany aza, nitaky azy hamafa ireo sary manameloka an-dry zareo.
Tanàna atao fahirano: Ahoana ny fomba fanampenam-bava ny gazety any Zimbaboe
Ho famokarana fitantarana eken'ny Fanjakana na ny antoko mpanohitra, voafandrika ao anaty ady stratejika ireo mpanao gazety
MIVANTANA amin'ny 22 Septambra: Jadona ara-teknolojika ao India
Narahin'ny fomba fanao isan-karazany izay manakana ny fahalalahan'ny olom-pirenena ny fanitsiana nomerika haingana ao India. Miaraha aminay amin'ny 22 septambra ho amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanosehana ny olom-pirenena.
Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Tanzania. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Natao diabe tao afovoan-tanàndehiben'i Bangkok ny sarin'ireo mpikatroka nanjavona
"Tsy misy olona tokony hanjavona noho ny fananana hevitra hafa."
Norahonan'ny nosy Solomon tsy hiditra ny firenena ireo mpanao gazety vahiny ”tsy manaja”
"Tsy misy ifandraisany amin’ny “fitantarana manambany” sy izay rehetra ifandraisany amin’ny fitondram-panjakana any Honiara tsy mahazaka fanadihadiana izany."
Nigorodana tao amin'ny media sosialin'i Taiwan ny faikam-baovao taorian'ny fitsidihan'i Pelosi Mpitondratenin'ny Antenimieran'i Etazonia
Nokendrena indrindra hanevatevana an'i Pelosi ireo vaovao sandoka nivezivezy tao Taiwan nialoha-nandritra-taorian'ny fitsidihany, ho fanehoan-kery ara-miaramilan'i Shina amin'ny sarinady, anambaniana ny satan'i Taiwan.