Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2018
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto

Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!
Egypta: Voasivana ny kaonty Flickr an'ilay mpikatroka
Nitroatra ireo mpikatroka Egyptiana taorian'ny "nanivanan'ny" Flickr ny kaonty fizaran-dry zareo sary.
Meksika : Ireto Ny Sasany Amin'Ireo Adihevitra Nanjaka Tao Amin'ny Aterineto Nandritra Ny Fifidianana Filoham-Pirenena
Mamakafaka ny fizotry ny fampielezankevitra tao amin'ny haino aman-jery sosialy ity fizarana fahefatra sady lahatsoratra farany amin'ny andiany momba ny fifidianana filoham-pirenena Meksikàna ity.
Shina: ”Sakana maitso” mba hanivanana ireo solosaina manokana

Araka ny Wall Street Journal tamin'ny 8 jona 2009, noteren'ny fanjakana manokana ireo mpanamboatra solosaina maneran-tany mba hampitao rindrambaiko fanasivanana ireo PC aondrany ao Shina manomboka ny 1 Jolay 2009.
Malezia : Tetikasa famoronana rejisitram-panjakana ahitàna an'ireo blaogera.

Namolavola lalàna izay manery ireo blaogera mampiantrano ny blaogy eo an-toerana ny fanjakana maleziana. Very noho izany ny roa ampahatelony tamin'ny isa mahazatra azy tamin'ny fifidianana farany teo.
Singapaoro: Fivoriana voalohany ho an'ireo pelaka
Nikarakara ny hetsika voalohany ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT ny PinkDot tao Singapaoro, saika faly tamin'izany avokoa ireo nandray anjara ary miandry fatratra ny andiany manaraka.
Shina: Ho an'ny fitsingerenan'ny taona nitrangan'ny raharaha Tiananmen, ambany fanarahamaso hentitra ny Aterineto

Maro ireo tranonkala sy karajia firesahana an-tambajotra no nakatona noho ny vanim-potoana somary saropady ao amin'ny firenena.
Zimbaboe: Andiana fakana an-keriny politika
Mpikambana maro tao amin'ny MDC sy ny ZPP no nalaina an-keriny tao Zimbaboe, anisan'izany ny filohan'ny Zimbabwe Peace Project, i Jestina Mukoko.
Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona
Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany.
Afrika Avaratra: Fijirihana sy Famotehana tranonkalan'ireo antoko politika mpanohitra

Mihalasa lasibatra manokan'ireo mpijirika (jiolahy informatika) ny tranonkalan'ny mpanohitra ao amin'ireo firenena any Afrika Avaratra, indrindra ao Tiorkia, Libia, sy Maoritania.