· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2018

Rosia: Fiovaovan'ny fanoherana

Raha jerena ny fifandraisana eo amin'ireo mpandray anjara [mpitandro filaminana marobe kokoa noho ny mpanao fihetsiketsehana], tahaka ny hoe polisy ny ankamaroan'ireo mpanohitra, ary nanakana azy ireo fotsiny tsy haneho ny fanoherany ny mponina ao an-toerana. [...]

27 Septambra 2018

Shina: CCTV ambanin'ny afon'ny… tsikera

Ny alin'ny 9 hifoha 10 febroary, nirehitra ny ampahany iray tamin'ny Tilikambon'ny CCTV, ny Fahitalavitra Foibe ao Shina, raha teo ampiitifirana afomanga ho fankalazana ny fetin'ny Harendrina ny ekipana mpahay momba ny afo (pyrotechniciens) iray. Nahafatesana olona iray, mpamonjy voina, ary naharatràna olona fito sy nahasimbana fotodrafitrasa sy fitaovana mitentina miliara yuan maro izany afo izany.

26 Septambra 2018

Fitetezana Ny Tontolombolongana Libiana: Rock Frantsay Ao Tripoli Ary Ny Ambasady Amerikana Ao Anatin'ny Trano Iray Fisotroana Kafe

Tena tsy tapaka mihitsy ireo fifandraisana Frantsay-Libiana, indrindra indrindra fa resaka kolontsaina sy fanabeazana, na dia nandritra ireo taona "mafy" nisian'ireo sazy aza. Ny Ivontoerana Ara-kolontsaina Frantsay, na dia tsy misehoseho aza, ao afovoan-tanànan'i Tripoli, dia manohy ny asany foana miainga avy amin'io fototra io, manolotra fampianarana teny sy trano famakiamboky hatramin'izay ela indrindra nahatsiarovako saina.

24 Septambra 2018

Fanapariahana Avy Ao Ogandà

Mitohy ao Juba, Sodana, ireo fifampiresahana hikatsahana ny fandriampahalemana, eo amin'ny governemanta Ogandey sy ny Lord's Resistance Army (LRA). Manome tsiny ny governemanta Ogandey sy ny governemanta ao Sodana Atsimo (GOSS) i Ngomrom noho ny tsy fisian'ny fahamatorana ao anatin'ireo fifampiresahana amin'ny LRA.

19 Septambra 2018