· Aogositra, 2008

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2008

Iran: Mpianatra mpitolona navoaka ny fonja

  14 Aogositra 2008

Varesh, mpamaham-bolongana Iraniana, no nilaza[Fa] fa mpianatra telo mpitolona antsoina hoe, Ghasaban, Tavakoli ary Mansouri, no navoaka ny fonja rehefa notazonina amponja nandritra ny 15 volana.

Shina: Fitoriana miaraka

  13 Aogositra 2008

Misy vohikala iray natsangana mba handrindrana fitoriana miaraka ataon'olona maromaro hanoherana ny sivana manjaka amin'ny aterineto any Shina.

Shina: Mpihetsiketsika vahiny ampian'ny fitaovana 2.0

  09 Aogositra 2008

Nisyfihetsiketsehana ho fanafahana an'i Tibet indray nitranga androany Sabotsy tany Beijing, ary hatreny amin'ny kianja malalaky ny Tiananmen mihitsy izany. Nanatrika izany ilay mpamahambolongan-dahatsary avy amin'ny Qik.com noneck ary azonao jerena izany..

Torikia: Voasakana ny Dailymotion

  07 Aogositra 2008

Tsy voasokatra hatrany Torikia hatramin'ny faharoa aogositra 2008 lasa teo ilay tranonkala fifampizarandahatsary Firantsay Dailymotion.com. Tsy misy fanazavana ny antony nanakanana ny tranonkala  hoy i Erkan Saka, mpamaham-bolongana mipetraka any...

Rosia: Aleksandr Solzhenitsyn

  04 Aogositra 2008

Nodimandry ny alahady teo ilay efa nahazo ny loka Nobel Haisoratra tamin'ny boky mitondra ny lohateny hoe Tangoronosin'ny golagy(The Gulag Archipelago) dia i Aleksandr Solzhenitsyn. 89 taona izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Efa misy sahady ny fanehoam-pilazana ataon'ny tontolom-bolongana Rosiana, ka ity ny soratra iray avy amin'ny mpandimby ny mpanoratra dia i LJ markgrigorian.

Shina: Tambajotra Viritoaly idifiana sivana

  01 Aogositra 2008

Tamin'ny alalan'ny PandaPassportn'i Rick Martin tao amin'ny Facebook milaza Tambajotra Viritoaly: “Ho an'ny rehetra any Shina, ity no  fanararaotra hijerenao izay tianao hojerena (ialana amin'ny sivana manjaka any).  Mametraka rindrambaiko...