· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Febroary, 2010

Sri Lanka: Sivana sy ny tena fanontaniana

Sanjana Hattotuwa ao amin'ny bolongana ICT for Peacebuilding (ICT4Peace) no mamelabelatra momba ny baikon'ny filoha “hampiato ny vinavina napetraky ny mpandrindra Sri Lankey momba ny fifandraisandavitra hanivana ny vohikala manohitra...

22 Febroary 2010

Egipta: Ny zo hiteny

Nanao famelabelaran-kevitra ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tamin'ny 22 Janoary mba hiarovana ny zon'izy ireo miteny taorian'ny nisamborana mpitoraka blaogy 20 mahery raha tonga tao amin'ny tanànan'ny Naga Hammady, izay nisian'ny famonoana ireo Coptic, ny fiarandàlamby nitondra azy ireo. Mitaitra ny hevitr'izy ireo momba ny fitànana azy ireo i Marwa Rakha ato amin'ity lahatsoratra ity.

09 Febroary 2010

Syria: mbola any amponja ny mpanao gazety Maen Akel

Maen Akel, mpanao gazety Syriana iray , voasambotra ny 11 Novambra 2009 ary ny sampam-pitsikilovana Syriana no nanao izany tany Damas. 48 ora latsaka taorian'ny fisamborana azy dia voaroaka tamin'ny asany tao amin'nygazetim-panjakana iray, Al-Thawra ihany koa izy. Mbola tsy fantatra ny tena antony nisamborana azy.

09 Febroary 2010

Tonizia: Sivana lava izao!

Mafy lavitra noho ny tany aloha, toa lasa fitsipi-dalao mihitsy ao Tonizia ny sivana. Vavolombelon'ny ady napoakan'i Ammar (solonanarana nomena ny sivana Toniziana), izay nanivanivam-poana blaogy maro tapa-bolana lasa izao ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana. Miray feo manohana ireo namany 'voasivana' ny mpitoraka blaogy maro.

09 Febroary 2010

Maraoka: Mitoraka blaogy momba ny fitorahana blaogy

Ireo Maraokana, toy ny mahazatra, dia mitoraka blaogy, fa amin'ity indray mitoraka ity kosa dia momba ny…fitorahana blaogy! Amin'ity taona ity, loka roa no hatolotra ao amin'ny tontolon'ny blaogy: ny andiany fahatelo amin'ny Fifaninana isan-tanona Blaogin'i Maraoka [Maroc Blog Awards], izay nisarika ny mason'ireo media tato anatin'ny taoana vitsy, ary ny fifaninanana vaovao Loka ho an'ny Blaogy Maraokana Tsara indrindra [Best of Morocco Blog Awards] (na BOMBies).

02 Febroary 2010