· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2013

Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola

Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.

31 Janoary 2013

Nitifitra Ranon-tsakay Tamin'ireo Mpampianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Bangladesh Ny Polisy

Vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Bangladesh, no nampiasa tifitra ranon-tsakay ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Mpampianatra sy mpiasa an-jatony avy amin'ireo sekoly tsy miankina no voatifitr'izany. Nanao fihetsiketsetahana izy ireo ary...

24 Janoary 2013

Ny Taokanton'ny Fanoherana Ao Shina, Mihoatra Lavitra An'i Ai Weiwei

Lasa malaza ao Shina ny endri-panoherana atao amin'ny endrika taokanto. Ity lahatsoratra ity dia mitondra ny mpamaky hijery ireo hetsika kanton'ny tarika - Made-in-J Town - izay nanao seho maro tamin'ny alàlan'ny vatany tao Shandong tamin'ny 2008, taonan'ny Olaimpika tao Beijing sady taona niatrehana famoretana henjana ho an'ireo feo manohitra.

24 Janoary 2013

#DELETECONTROL/: Fanentanana Hanoherana Ny Famoretana Aty Anaty Aterineto

GV Mpisolovava

Ny Sekoly Ambony Misahana Ny Fifandraharahana ao Pays-Bas, Hivos, izay miara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, ny Witness, ny Mideast Youth ary ny Tactical Technology Collective, dia mikarakara hetsika fanentanana antsoina hoe #DELETECONTROL/, hanampiana ireo mpampiasa aterineto tandindonin-doza hiady amin'ny famoretana anaty aterineto.

23 Janoary 2013