Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Novambra, 2020
Brezila, rakitra tafaporitsaka momba ireo olona an-jatony lazaina ho mpankahala fasista
Miaraka amin'ny fitomboan'ny hetsika mpankahala fasista ao Brezila, lisitra roa no hita ety anaty media sôsialy, nanangonana ny torohay no sady ikendrena ireo olona lazaina ho "antifas"
Mpitati-baovao any Hong Kong nitantara ny famoretana ny fahalalahan'ny asa fanoratana an-gazety araka ny lalàna mifehy ny fiarovam-pirenena
"Tsy ny fahaveloman'ny Apple Daily ihany no atrehantsika izao fa ny sehatra fampitam-baovao miahy tena iray manontolo."
2020 no taona ratsy indrindra ho an'ny mpanoratra an-gazety ao Kenya
Hatramin'ny nipongaran'ny coronavirus vaovao tao Kenya tamin'ny volana marsa, mihoatra ny 47 ny trangam-pisamborana tondromolotra, fanafihana sy fanohintohinana nihatra tamin'ny blaogera, mpikatroka anjotra ary mpiaro ny zon'olombelona.
Vondrona mpianatra Maleziana miatrika fanadihadiana vokatry ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook nanentana ny mpanjaka tsy hitsabaka resaka politika
"Tsy afaka miroborobo ao anatin'ny tontolon'ny sivana sy ny famerana ny fitenenana ary ny fanehoan-kevitra tsy mifandanja ny fandalinana akademika sy ny fampiroboroboana ny zon'olombelona."
Ho an'ny fitsaràna Eorôpeàna dia tsy manantsiny amin'ny resaka fanalàna baràka nanenjehana azy tamin'ny 2010 ilay Makedôniàna mpanao gazety
Manandanja ho an'ireo Makedôniàna mpanao gazety sy mpikirakira vaovao io fanapahankevitra io, ary ho an'ny olona rehetra miseho vahoaka amin'ny ankapobeny, satria manosika azy ireo hanana fotokevitra, hitazona ny teniny, hijoro ho sahy sy hanana faharetana
Namoaka fitaovana ahafahan'ny mpifidy mampitaha ny programan'ny antoko mpifaninana momba ny zon'olombelona ny ONG ao Myanmar
"Ny hanome ny mpifidy fampahalalana feno momba ny fampanantenan'ny antoko politika ny zon'olombelona - na ny tsy fisian'ny fampanantenany - no tanjonay mba hahafahan'ny mpifidy mandray fanapahan-kevitra feno avy amin'ny torohevitra."
Lasibatry ny manampahefana ao Hong Kong ny fanabeazana ka manivana ny tenany ireo mpampianatra
Nanoratra tamin'ny fanadihadiana ny mpamaly iray fa nametraka fitoriana ny ray aman-drenin'ny mpianatra iray noho ny antony fotsiny hoe nanao sarontava mainty tany an-dakilasy izy.
Fanakendana ny aterineto, fanakatonana ny SMS andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana ao Tanzania
Tao anatin'ny 24 ora monja mialoha androm-pifidianana, nitatitra ireo mpiserasera ao Tanzania sy ireo nosy mizaka tena ampahany ao Zanzibar fa voafetra ny fidirana amin'ny tolotra aterineto, anisan'izany ireo sehatra media sosialy toa ny WhatsApp, Facebook ary Twitter.