Ny vehivavy ao Iran, ny zo nomerika sy ny fahalalahan'ny olombelona

Hetsipanoherana Iran, Ottawa, Canada, 25 Septambra 2022, avy tamin'i Taymaz Valley tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0.)

Ity lahatsoratra ity dia ny Alliance for Universal Digital Rights (AUDRi) no namoka azy voalohany, tamin'ny 16 Septambra 2023, nosoratan'i Emma Gibson, mpandrindra erantany ny AUDRI. Dika iray nokiraina no navoaka eto rehefa nahazoana alalana.

Ny 16 Septambra 2023 no nanamarika ny tsingerintaona voalohany nahafatesan'i Mahsa Amini, 22 taona, rehefa avy nosamborin'ny pôlisin'ny “fitondrantena” an'ny governemanta iraniàna. Nandritra ny herinandro nialoha ilay  tsingerintaona, nanao fampitam-baovao niombonana tany amin'ny Kaomitin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Equality Now, Femena, sy ny Centre for Supporters of Human Rights (CSHR), naneho ny “ahiahiny lalina mikasika ny toe-piainan'ny vehivavy sy ny tovovavy  ao Iran manoloana ny fitohizan'ny tahan'ny fanimbinana taovam-pananahan'ny vehivavy (MGF), ny fampanambadiana ankizy sy ireo lalàna mikasika ny sata manokana feno fanavakavahana ny lahy sy vavy ao amin'ny firenena.”

Taona vitsivitsy teo izay, lohateny vaventy tany anatin'ireo gazety iraisam-pirenena ny hetsi-panoherana manohitra ny fanerena hisarona  hijab na ilay antsoina hoe “pôlisin'ny fitondrantena” ao Iran. Tsy ho voatanisa ny risi-pon'ireo vehivavy, izay matetika mitarika ny raharaha. Na izany aza, matetika no misy voka-dratsiny henjana ireny hetsi-panoherana ireny, matetika atosiky ny fampiasàna hatrany hatrany ireo fitaovana raitra ho fanarahamaso nomerika avy amin'ny governemanta.

Ny volavolan-dalàna iray mikasika ny hijab, izay miteraka adihevitra be, dia ahitana andininy 70 izay mamaritra ny sazy henjana kokoa ho an'ireo vehivavy, ary hatramin'ireo sazy henjana ho an'ny olo-malaza, orinasa sy mpandraharaha ary ireo mpanome tolotra manohana azy ireny. Manoso-kevitra momba ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ilay volavolan-dalàna mba hampanajàna ny tsy fanitsakitsahana ny fitsipiky ny fomba fitafy, taratry ny fisehoana mampiahiahy ny fanenjehana mifototra amin'ny mahalahy sy vavy.

Amin'izao vanim-potoana nomerika ankehitriny izao, sabatra roa lela no arangarangan’ny governemanta Iraniana  : ilay teknolojia ihany izay manana hery hanamafisana ny feo no ampiasaina hampanginana azy ireo, indrindra fa rehefa miantso ny fitovian'ny lahy sy vavy ireo feo ireo. Amin'ny fampiasana ny rindrambaiko famantarana endrika sy fanarahamaso ny fifaneraserana an-tambajotra, fantarin'ny governemanta ary henjehany ireo izay sahy manohitra.

Ampiasaina amin'ny fomba tsy mifandanja ity tanjaka ara-teknolojika ity hamelezana ireo vehivavy, izay heverina ho tahaka ny fandrahonana mivantana ho an'ireo fototra ideolojikan'ny fanjakana ireo fitakiana ataon-dry zareo hisian'ny fitovian-jo.

Tsy resaka fakantsary eny anjoron-dalana fotsiny izany na ‘drone’ eny an-danitra. Miorina ao anatin'ny aloky ny Aterineto ny tena nofy ratsy Orwellian. Voasivana ireo sehatra malaza, ary voasakana ireo fampiharana fandefasana hafatra mifono, izay matetika hifaharan'ireo mpanao fihetsiketsehana mba hivondronana, voarara. Ireo bilaogera, ireo mpitari-kevitra sy ireo olom-pirenena tsotra mihitsy koa aza, dia misedra fandrahonana, fisamborana, na ny ratsy indrindra aza, noho ny fahehoankevitra tsotra fotsiny anaty aterineto.

Ny tena mampiahiahy fatratra angamba dia ny firongatry ny fanarahamaso tafahoatra ataon'ny Fanjakana any amin'ireo toerana an'olontsotra: ny fiara sy ireo làlana fampiasan'ny olontsotra manokana.

Ny porofo mampatahotra iray dia izay nitranga vao telo volana monja izay, vehivavy manodidina ny iray tapitrisa no naharay fampitandremana avy tamin'ny mpitandro ny filaminana ao amin'ny firenena. Ny heloka bevava nataon'izy ireo ? Azon'ireo fakantsary mitazana fotsiny izay tsy nanao hijab izy ireo, araka izay nohazavain'ny tatitry ny Amnesty International amin'ny antsipirihany.

Araka ny voalazan'ilay tatitra, ny polisy “dia nandefa SMS niisa 133,174 mitaky ny fanakanana ireo fiara mandritra ny fotoana voafaritra tsara, naka fiara 2 000 sy nandefa “mpandika heloka bevava” maherin'ny 4 000 tany amin'ny fitsarana nanerana ny firenana.

Avy any Iran mankamin'izao tontolo izao : Antso iraisam-pirenena iray ho an'ny hetsika

Ny zo nomerika, any ifotony, dia zon'olombelona. Ny fiarahamonina iray izay tsy hahafahan'ny tsirairay maneho hevitra malalaka, mitokana sy tsy misy ahihahy no antoka fa iray ahitàna fanafihana ireo fahalalahana fototra.

Ny zo nomerika dia miara-misy anaty fomba samihafa miaraka amin'ny zo hanao fihetsiketsehana am-pilaminana amin'ny fomba maro isankarazany. Ny fitaovam-pifandraisana afenina dia afaka manome fomba iray ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpikatroka mba hifaneraserana tsy amin-tahotra ny ho voasakantsakana na ny famoretana avy amin'ny governemanta. Rehefa voasivana na voatampim-bava ny haino aman-jerim-panjakana, dia afaka manatanteraka fanaparitahana vaovao haingana ireo sehatry ny media sosialy, manangona araka izany koa ireo mpomba ny raharaha iray. Fanampin'izay, ny tontolon'ny nomerika dia manolotra tranomboky iray midadasika misy loharanon-karena maro mikasika ny tetika fanoherana am-pilaminana, ny fanentanana momba ny zon'olombelona sy ny ezaka firaisankina iraisam-pirenena.

Tsy i Iran irery no hany fitondrana tokana maneritery ny fahalalahana nomerika amin'ny alalan'ny fampiasana ny teknolojia hanakanana ny tsy fitovian-kevitra na amin'ny fampiarahana ny fanarahamaso aminy. Any India, ohatra, nampiasa fampiharana iray ny polisy hahafahan'izy ireo mahazo ny sary CCTV nangonina manokana.

Any Shina, ny fanarahamaso faobe dia nampiasaina mba hanangonana vaovao mikasika ireo fihetsiketsehana sy hetsika manokana ataon'olon-tsotra amin'ny endrika “polisy mpaminavina“. Ireo ohatra rehetra ireo dia mampiseho fa ny fanarahamaso sy ny fanitsakitsahana ny zo hanana fiainana manokana dia mikendry amin'ny fomba tsy mitovy ny olona tsirairay sy ireo vondrona izay ny maha-izy azy dia efa mahatonga azy ireo sahady ho mora pehana, tahaka ireo vehivavy na ireo vitsy an'isa, na ireo izay manao hetsika pôlitika be adihevitra momba ny tsy fandehanan-draharaha.

Saingy eto no mitoetra ny fanamby : Rehefa lasa kinga kokoa ireo governemanta tahaka itony amin'ny famoretana ny tsy mitovy hevitra aminy eny anaty aterineto, ahoana no ahafahan'ireo mpikatroka hiroso amina elanelana lavidavitra kokoa ?

Afaka mitàna anjara toerana lehibe ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny orinasa teknolojika dia tsy maintsy terena hiaro ny angondrakitr'ireo mpampiasa ary hanao ho laharam-pahamehana ny fanafenana hatrany am-boalohany ka hatramin'ny farany. Tokony hakàna ny hevitr'ireo fikambanana mpiaro ny zo nomerika sy ny fiarahamonim-pirenena ny mikasika ny loza mitatao ateraky ny fanarahamaso sy ny sivana nomerika tarihan'ny Fanjakana ary ny fiantraikan'ny teknolojia vokarina.

Ny zava-dehibe indrindra, ireo vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena dia tokony hanasongadina tsy tapaka ny fanararaotana, hiantoka ny fahatakaran'ny governemanta hoe mijery azy izao tontolo izao. Ary ny fifehezana ny habaka nomerika manaraka ny fitsipiky ny zon'olombelona dia hanome antoka fa tsy ho lasa tontolo iray vaovao io, izay ao anatiny dia ho marefo amin'ny fanararaotana sy fanimbana ireo vehivavy Iraniana, na ny hafa.

Raha taratry ny olana manerana izao tontolo izao ny paikadin'ny governemanta Iraniàna, dia tsy maintsy tsaroana sy ankalazain'izao tontolo izao ny herimpo toka-miavaka ananan'ireo vehivavy Iraniana, izay mijoro tsara manoloana zava-tsarotra na dia misy aza ny manalokaloka. Ho an'i Mahsa Amini sy ireo olona hafa marobe toa azy, dia tsy maintsy mijoro amin'ny tolona iombonana isika, ho an'ny nomerika sy ny zon'olombelona. Tsy mendrika zavatra kely noho izany ny herim-pon'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.