Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2011
Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!
Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe "Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao" na "ny andriamanjaka" raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana mpiondana aterineto dia hanana faharisihana hiresaka amin'ny feo avo amin'ny fomba tahaka izany rehefa mitodika amin'ireo manampahefanan-dry zareo
Iran: Mpitoraka Bilaogy Nafahana Taorian'ny 25 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina
Navoaka ny fonja rehefa nandoa onitra ny Alahady teo ny Dr. Mehdi Khazali, mpitoraka bilaogy, tonian-dahatsoratra sy zanakalahina mpitarika fivavahana mpitahiry ny nentin-drazana sady mpikambana tao anatin'ny Filankevitr'ireo Mpiambina ny Ayatollah Khazali, taorian'ny 25 andro fitokonana tsy hihinan-kanina. Nanandratra ny feony tamin'ny governemanta Iraniana ilay mpitoraka bilaogy nandritra ireo roa taona lasa
Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy
Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra 2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty tao San Jose renivohitra nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny filazam-baovaom-bahoaka sy ny haino aman-jery avokoa satria ny mponina dia naneho hevitra tao amin'ilay dikanteny Costa Ricain amin'ity hetsi-panoherana nalaza eran-tany ity.
India : Mafàna fon'ny RTI sady Mpiaro Tontolo Iainana Novonoina Antoandro be Nanahary
Shehla Masood (39), mahery fo sy mpiasa ao amin'ny ONG Right To Information , na Zo hahazo Vaovao dia maty voatifitra teo anoloan'ny fonenany ao Bhopal ny Talata maraina. Fantatra tamin'ny fanentanana hiarovana ny tontolo iainana ihany koa izy. Maneho ny heviny ireo mpampiasa Twitter momba ity fahafatesana mampalahelo ity.
Shina sy Hong Kong: Voasambotra noho ny fiakanjoana T-shirt politika
Nanao fitsidihana telo andro, izay nanomboka ny 16 aogositra 2011, tany Hong Kong i Li Keqiang, lefitry ny premier shinoa ankehitriny sady ny handimby ny premier [Lehiben'ny governemanta] ankehitriny. Ny andro...
Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”
Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga. Ny Global Voices dia manolotra fantina lahatsary avy amin'ireo fihetsiketsehana.
Iran : Mehdi Khazali noafahana taorian'ny fitokonany tsy hihinan-kanina nandritra ny 25 andro

Dr. Mehdi Khazali, bilaogera sady mpamoaka lahatsoratra, zanaka mpitondra fivavahana lehiben'antoko farany havanana sy mpikambana taloha tao amin'ny Filankevitry ny Mpiandry, Ayatollah Khazali, no noafahana tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra ny Alahady...
Miasa miaraka Amin'ny Ashoka ny Global Voices Amin'ny Fifaninanana Fampitam-baovao an'olotsotra
Voninahitra ho an'ny Global Voices ny miasa miaraka amin'ny mpanova Ashoka amin'ny ‘Fifaninanana fampivoarana ny fitaovan-tseraseran'olo-tsotra' iarahana amin'ny Google. Mpandresy efatra no hahazo loka 5.000 dolara amerikana avy amin'ny tetikasan'olo-tsotra mampita vaovao manao izay hahatonga ny tany ho toerana tsara kokoa.
Ejypta : Asmaa Mahfouz Nohadihadian'ny Fitsarana Ady Miramila

Mpitolona ejypsiana Asmaa Mahfouz , iray amin'ireo mpanorina ny Hetsika 6 aprily no nohadihadian'ny fampanoavana ao amin'ny fitsarana ady miaramila ny Alahady 14 aogositra lasa teo satria voalaza fa “nanevateva ny komandin'ny tafika...
Tonizia: Mitohy Ny Hetsi-Panoherana, Mitohy Koa Ny Herisetran'ny Polisy
Nirotsaka an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tunis ny Alatsinainy teo (15 Aogositra). Tafiditra ho anisan'ny anton'ny fitakian-dry zareo ny fananganana fitsaràna tsy momba ny atsy na ny aroa afaka hitsara ireo manampahefana mpanao kolikoly sy ny namono ireo “Mahery fon'ny Revolisiona”. Mamintina ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo fampahalalàm-baovaon'olon-tsotra i Afef Abrougui ato anatin'ity lahatsoratra ity.