Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2020

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Oktobra, 2020

Sivanin'ny vaomieram-pifidianana ao Myanmar ny kabarin'ireo antoko politika mifaninana amin'ny fifidianana

"Ity fanivanana ity dia toa zavatra nataon'ny jadona. Tsy tokony hanakorontana ny feon'ny antoko izy ireo. Tsy tokony hisy ve ny fahalalahana maneho hevitra?"

Mpikatroka mpanoratra an-gazety Vietnamiana nosamborina ho manao ‘fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana’

Tsy mila fahalalahana ho an'ny tenako irery aho, ho mora loatra izany. Mila zavatra lehibe kokoa aho: fahalalahana sy demaokrasia ho an'i Vietnam manontolo. Mety hitovy amin'ny tanjona lehibe iray io, saingy azo tanterahana feno, miaraka amin'ny fanohananareo.

Trinh Ba Phuong: lahatsary fanolorana an'ilay Vietnamiàna mpikatroka ho an'ny zo momba ny tany

"Tantsaha ny androantokom-piainako. Tsy tena mihevitra ny tenako ho mpikatroka aho, satria heveriko fa tsy mbola ananako ny fahalalàna na ny fahafahana manao izany."

Tontolo Arabo : “Jadona demaokratika iray i Iràna”

Mahavaky fo ny hoe any amin'ireo firenena andalampandrosoana, [...] samy miezaka daholo ny rehetra hanova ny zavamisy [manodidina azy], [...] afa-tsy [...] ireny mpanao jadona ireny ihany, efa nifandimby ampolo taona maro nitondra tao amin'ny governemanta ny ray sy ny zanaka lahiny, fa toa tsy mampaninona an-dry zareo velively izany.

Matahotra lalàna mifehy ny fiarovam-pirenena, manova ny fahazaran'izy ireo ao amin'ny media sosialy ny mponin'i Hongkong

Tamin'ireo olona miisae 2587 namaly ny fitsapan-kevitra anjotra notarihan'ny The Stand News, 96 isanjato no nilaza fa matahotra ny "fahaverezam-pitenenana malalaka" ry zareo.

Avotsory Muay: Vondrona mitaky ny famotsorana ilay mpiaro ny tontolo iainana Laosiana olomangan'ny tambajotra sosialy

"Sahy nijoro niaro ny tontolo iainana i Muay. Tsy mendrika ny hampidirina am-ponja noho ny fahasahiany mijoro i Muay."

Niteraka ahiahy momba ny zon'olombelona ny lafatra ‘fiarovana an-tserasera’ vaovao any Oman

Nandany didy hitsivolana vaovao manome fahefana feno ho an'ny manampahefana hifehy ny aterineto sy ny angondrakitra rehetra ampitaina ao amin'ny firenena ny Soltanà an'i Oman.

Facebook, mandà ny fiampangàna azy ho manampy trotraka ny kabarim-pankahalàna sy mpomba ny BJP ao India

Ny 16 Septambra, namoaka fanambaràna iray ny lehiben'ny Facebook ao India nandàvany ireo fiampangana ity goavan'ny media sôsialy ity ho maka tombony amin'ny fanomezana sehatra ny kabarim-pankahalàna ao India.

Nosakanana ny tranonkala nampiseho ny fanaovan'ny miaramila kolikoly any Myanmar

"Asehon-dry zareo ny fitomboan'ny tsy fandeferan'ny governemanta manoloana ny fahalalahana maneho hevitra izany ary miezaka manafina ny heloka bevava sy ny kolikoly ataon'ny miaramila. "