Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Novambra, 2009
Ejipta: Ny filoha Moubarak sy ny fiandrianan'i Ejipta
Taorian'ny lalao nifanandrinan'i Ejipta sy Alzeria tany Soudan dia nanao fihetsiketsehana tany Zamalek nanoloana ny ambasady Alzeriana tao Le Caire ny mpankafy baolina kitra ejipsiana ny alakamisy alina sy ny...
Polona: mpitoraka blaogy tsy mitonona anarana manoratra momba ny Tabloid andavanandro
Mpanao gazety iray tsy mitonona izay efa niasa tamina tabloid Poloney iray mpivoaka mpiseho isanandro antsoina hoe Fakt, an'i Axel Springer AG, dia nanao blaogy vaovao, BrukowiecStory” (”TabloidStory” amin'ny teny Englisy), izay tiany hilazana ny tena fandehan-javatra marina any amin'ireo trano fikirakirana vaovao sy ny trano famoahana.
Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray
Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne?
Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso
Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30...
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.
Georgia: Mampitabataba orthodoksa
Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola ratsy kokoa...
Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]
Anio, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [Feo voarahona] ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manaramaso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika.
Irana: Afaho i Hossein Derakhshan
Ao anatin'ny faha-herintaonan'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy naha-be resaka, Hossein Derakshan, dia mandefa fanentanana ireo mpiray tanindrazana aminy mba hitazonana ny saina tsy hatoritory momba ity famonjàna azy ity.