· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2012

Kyrgyzstan: Tafiditra Anelanelan'ireo Nasionalista, Manasazy Mpanao Gazety Ny Fitsarana

Mikasika ny raharaha iray niteraka adihevitra be, nosazian'ny fitsarana iray ao Kyrgyzstan tamin'ny fandoavana honitra i Vladimir Farafonov, mpanao gazety teratany Rosiana, nohon'ny famoahana lahatsoratra izay mandrisika ny fisian'ny fifankahalan'ny vahoaka iray firenena. Nizara roa ny mponina amin'ny aterineto teo amin'ny fanehoan-kevitra mikasika ny didim-pitsarana. Raha maro ireo izay mihevitra fa tokony nomena sazy somary henjankenjana ilay mpanao gazety, ny hafa kosa dia manambara fa miteraka voka-dratsy eo amin'ny fitsarana io didim-pitsarana io.

31 Aogositra 2012

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Copyright Sy Fahalalahana Miteny Ao Anaty Atetineto

GV Mpisolovava

Anatin'ity sehatry ny fanentanana "Aza matahotra ny Aterneto" [es] ity dia hifantoka amin'ny fomba hahatongavan'ireo lalàna sasany momba ny copyright sy ireo fomba fanao hanakivy ny fampiasàna ny Aterineto ho an'ny fanehoan-kevitra. Ireto misy valinteny dimy fampidirana ho an'ny olana iray nampiray ireo mafàna fo eran-tany hiady amin'ny SOPA, ACTA, TPP, sns.

25 Aogositra 2012

Maoritania: Maneso Ny Filoha Amin'ny Fampiasana Twitter

Niseho tamin'ny fahitalavi-panjakana ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz Filoha Maoritaniana, ny 6 Aogositra teo. Nidaroka mpanao gazety ny mpitandro ny filaminana raha nandrakotra fisamborana sy fampijaliana nihatra tamin'ny vahiny nasaina iray izy, vahiny izay niantso ny Jeneraly mba hiala. Nanaraka sy nanadihady io tranga io ara-potoana ireo Maoritaniana mpampiasa Twitter .

19 Aogositra 2012

Global Voices Podcast: Zavatra Maro Avy Amin'ny #GV2012

Anatin'ity andiany ity ianao dia haheno zavatra maro avy amin'ny Fivoriamben'ny Global Voices izay notanterahina tany Nairobi, Kenya, tamin'ny Jolay, izay ahitàna ny sasany amin'ireo mpandray anjara avy aminay sy ireo akademisiana voafantina eran-tany nasaina ihany koa hizara ny fahalalany sy hanovo fahalalana avy amin'ilay fianakaviambe.

18 Aogositra 2012

“Don't Fear the Internet”: Ny Tetikasan'ny Voto Ciudadano, Shily

GV Mpisolovava

Ny "Don’t Fear the Internet" [es], tetikasa mikatsaka ny hanasongadina ny lanjan'ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto, dia mifantoka amin'ny raharaha "Voto Ciudadano" (Safidim-bahoaka), sehatra fiadian-kevitra izay manome fahafahana ny vahoaka hisafidy amin'ireo olana maro samihafa.

18 Aogositra 2012