Tonga tany Melbourne tamin'ny 11 Oktobra lasa teo ilay Aostraliana mpanao gazety Cheng Lei, rehefa avy notanana am-ponja tany Shina nandritra ny telo taona mahery.
Mialohan'ny nisamborana azy tamin'ny 13 Aogositra 2020 noho ny filazana azy fa nandika ny lalàna Shinoa mikasika ny fiarovana, mpanao gazety ara-barotra izy sady mpanentana fandaharana tamin'ny China Global Television Network. Nihevitra ireo mpanohana azy fa natao takalon'aina izy satria niharatsy ny fifandraisana misy eo amin'i Shina sy Aostralia momba ny niandohan'ny viriosy COVID-19, ny tsy fifandanjana ara-barotra ary ny olana amin'ny lafiny zon'olombelona.
Niasa mafy ireo vondron'ny haino aman-jery ho famotsorana azy, satria nanakiana ny tsy fisian'ny mangarahara manodidina ny raharahany. Tamin'ny volana Aogositra lasa teo, navoakan'nny fianakviany ny taratasin'i Cheng Lei avy tany am-ponja nilaza ny toe-piainany. “Malahelo ny masoandro aho. Ato anatin'ny efitranoko, ery amin'ny varavarankely no mamiratra ny tara-masoandro saingy folo ora isan-taona ihany aho no afaka mitsangana eo”, tsonga avy tamin'ilay taratasy.
Taorian'ny nahatongavany tany Aostralia dia nilaza ny hafaliany i Cheng Lei. Ny olona miaraka aminy, Nick Coyle, no namoaka ny hafany teo amin'ny X, fantatra taloha tamin'ny anarana Twitter.
Fihina mafy, hiakiaka an-dranomaso, mamihina ny zanako amin'ny tara-masoandron-dohataona. Nahofahofan'ny tsio-drivotra ny hazo. Affaka mahita ny lanitra manontolo aaho izao! Misaotra anareo Aostraliana.
Nohamafisin‘ny Praiminisitra Aostraliana, Anthony Albanese, ny famotsorana azy :
Mahafaly ahy ny manamafy fa tonga soa aman-tsara an-tranony eto Aostralia i Ramatoa Cheng Lei ary tafahaona tamin'ireo zanany roa sy ny fianakaviany.
Niresaka taminy an-telefaona aho androany tolakandro. Io no vokatra notadiavin'ny governemanta Aostraliana hatr'izay elabe izay.
Nanampy ny fanambarana iray an'ny governemanta Aostraliana fa “manaraka ny fahavitan'ny dingana ara-pitsarana tao Shina ny famotsorana azy”.
Wang Wenbin, mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa, no nilaza fa nanao zavatra araka ny lalàna ary niaro ny zon'i Cheng Lei ny governemanta Shinoa.
Izay tiako tsindriana eto dia hoe nihaino ilay raharaha ny manampahefana ara-pitsarana Shinoa ary namoaka didiny mifandraika amin'izany ary niantoka feno ny zo ananan'ny olona voakasik'izany sy nanaja ary nampihatra ireo zon'ny kaonsily Aostraliana tahaka ny fitsidihana kaonsilary sy ny fandraisana fampahafantarana.
Namoaka vaovao mikasika ny raharahany ihany koa ny governemanta Shinoa :
Tamin'ny May 2020, nahazo fandresen-dahatra avy amin'ny mpiasan'ny masoivoho vahiny iray i Cheng Lei, nandika ny fehezam-pitsipika mikasika ny tsiambaratelo nosoniavina niaraka tamin'ny sampana mampiasa azy ary nanome tsy ara-dalàna ny tsiambaratelom-panjakana voafefhiny tamin'ny asany ho an'ilay masoivoho vahiny tamin'ny alalan'ny findainy.
Nankasitraka ny famotsorana an'i Cheng Lei ny Media, Entertainment & Arts Alliance ary nanitrikitrika fa ny fiampangana natao taminy dia “tsy misy dikany”.
Hiravoravo ireo Aostraliana mpanao gazety sy ireo mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety fa tafahaona indray amin-janany any Melbourne ilay mpiara-miasa aminy, Cheng Lei.
Nino foana izahay fa tsy misy dikany ny fiampangana azy ary raha narahana araka ny tokony ho izy dingaam-pitsaràna dia ho hita fa tsy manan-tsiny izy.
Nitafàn'ny Sky News i Cheng Lei izay nizara ny zavatra hitany taorian'ny fahatongavany tany Aostralia.
Nihazakazaka nanatona ahy ny zanako, ary ny reniko izay niha-antitra be tato anatin'ny telo taona farany.
Ary nihiakiaka fotsiny izahay rehetra dia nitomany ny reniko ka niantsambotra taminy fotsiny aho.
Ny mpanao gazetin'ny Sky News Washington, Annelise Nielsen, nanoratra mikasika ilay tafatafa izay nifanaovany tamin'i Cheng Lei.
Manana tantara miavaka ho tantaraina Ramatoa Lei. Ary tsapako fa mbola andalam-pitsakotsakoana izay nitranga taminy izy.
Ny hany vaovao tokana tena izy avy amin'ny tontolo ivelany nananany dia izay avy amin'ny tontolo iray faran'izaya voaaramaso indrindra tatmain'ireo fitsidihan'ny kaonsily isam-bolana nataon'ireo mpiasan'ny Masoivoho Aostraliana.
Na teo aza ireo toe-javatra miavaka tamin'ny famonjàna azy, azo tsapain-tanana ilay “hadisoan'ny reny” izay entiny noho ny tsy naha-teo azy ho an'ireo zanany.
Efa tafaverina aminy ny feony izao ary tapa-kevitra izy ny hampiasa izany amin'ny tsara.
Teraka avy amin'nny famotsorana an'i Cheng Lei ny fanantenana fa hiantohan’ireo manampahefana ihany koa ny famotsoranna ilay Shinoa-Aostraliàna mpanoratra Yang Hengjun, izay voafonnja any Shina hatramin'ny 2019 noho ny filazana azy ho nanao asa fitsikilovana.