Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2011
Kolombia: Sarin-jaza tsy ampy taona anaty gazetiboky ho an'olon-dehibe
Ny herinandro lasa teo, ny Biraon'ny inspektora jeneraly, tamin'ny alalan'i Ilva Myriam Hoyos, solontenan'ny Inspektora misahana ny Fiarovana ny zon'ny Ankizy, ny Tanora, ary ny Fianakaviana, dia nanambara [es] fa efa...
Pakistana : Mihetsika ny foko vitsy an'isataorian'ny fahafatesan'ny minisitry ny foko vitsy an'isa
Ny 2 martsa 2011 , andian'olona tsy fantatra mitam-piadiana no nitifitra sy namono ny Minisitra federaly Shahbaz Bhatti misahana ny foko vitsy an'isa ao Pakistana. Nandositra ireo namono azy rehefa navelan'izy...
Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana
Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany...
Iran: Fanoherana Syriana “Sady tsy Iran No tsy Hezbollah!”
Niresaka momba ny hiakiaky ny mpanao fihetsiketsehana Syriana nandritra ny diabe alarobia lasa teo ny mpamaham-bolongana Iraniana sasantsasany fa tamin'io diabe io no nandrenesana hiaka hoe "Sady tsy Iran no tsy Hezbollah!". Naman'i Iran i Syria sady samy mpiakama rahateo amin'ny vondrona mpikatroka Hezbollah any Libanona.
Haiti: Mananontanona ny herisetra amin'ny fifidianana
Toa mihanika ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana any. Raha niomana hanomboka ny fivoriana mikasika ny fampielezam-peo any Mirebalais ny Talata 15 Martsa 2011 izao i Mirlande Manigat izay mpifaninana ho filoham-pirenena Haitiana sady mpampianatra lalàna, vosakantsakanan'ireo mpanohana [fr] ny mpifaninana mpanohitra Michel Martelly izany ireo mpanara-dia azy, izay nitarika sahotaka ka niafara tamin'ny fitifirana sy faharatrana.
Côte d’Ivoire : Horohoro ao Abidjan.
Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana nataon'ny Global Voices tamin'ireo zava-nitranga tao Côte d'Ivoire taona 2011 (amin'ny teny malagasy; misy amin'ny teny frantsay koa ny ankamaroan'ny lahatsoratra) Niaina ireo herisetra nisesisesy...
India: Fahatezerana tao amin'ny Parlemanta noho ny fivoahan'ny telegrama vaovao tao amin'ny Wikileaks
Nitarika fahatezerana tamin'ny Parlemanta Indiana nahitana ny mpanohitra nangataka fanazavana tamin'ny praiminisitra, ary tonga tamin'ny fitakiana ny fialàny ny fivoahana andia-telegrama Indiana farany avy amin'ny Wikileaks, manambara ny fisiana fanangolena...
Syria: Hetsi-panoherana Ho Fanafahana Ireo Gadra Politika, 38 No Voasambotra
Tamin'ny 15 Martsa, nanaraka ny "Androm-pahatezerana" tao Syria, andian'olona 150 teo ho eo, mpanao fihetsiketsehana, no nifamory teo ivelan'ny Ministeran'ny Atitanytao Damaskaosy, nangataka ny hamotsorana ireo gadra politika rehetra. Raha kely indrindra dia 38 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ireo no voasambotra.
Panama: Mpanao gazety voaroaka
Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena an-kibon'ny tany, dia nampahatsiahy anay ny Panameana sasany fa tsy mbola voavaha ny olan'ilay mpanao gazety noroahana.