Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2014
Navoaka Ny Fonja Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abdel Fattah
Mitohy ny fankalazana satria navoaka ny fonja ilay bilaogera Ejypsiana malaza Alaa Abdel Fattah. Tamin'ny sioka voalohany nalefany taorian'ny famotsorana azy, nampanantena mbola "hanohy" ny tolona izy.
Nivoady “Hamafa” ny Twitter ao Torkia i Erdogan
Nakaton'i Torkia ny Twitter - tahaka izany ihany koa ny servisy DNS Google hoan'ny daholobe, izay nampiasaina hihodidinana ny fanakatonana. Na dia izany aza, toa hita fa tsy nahitam-bokany ny fikasan'ny governemanta Tiorka hanivanana izay fanoherana azy, satria vao maika lasa nitombo be ireo sioka avy ao Tiorkia.
GV Face: Arahabaina 25 Taona ny Web!
Inona no maha-samihafa ny aterineto sy ny habaka? Nahoana no zava-dehibe kokoa ny habaka malalaka? Miresaka momba izany ao amin'ny GV Face ireo matihanina sy mpandala ny zon'olomnbelona
Syria: Izaho No Aleppo, Aleppo Dia Izaho
"Mitovy izahay sy Aleppo : simba, feno afo, misavoritaka," izany no nosoratan'i Marcell Shehwaro, mpitoraka bilaogy / mafana fo, ao amin'ny lahatsoratra voalohany amin'ny andiany momba ny fiainana any Syria mandritra ny tsy fifankahazoana amin'izao fotoana izao.
Mpanao Gazety Iray Noroahana Fa Nitsikera Ny Fibodoana an'i Crimée Tao Amin'ny Facebook
Mametra-panontaniana ny Rosiana raha mbola afaka 'hikarakara' azy ireo i Putin, raha midika ho fampitomboana ny fampiasam-bola kosa izany ho an'ny faritra manodidina.
Tampenan'i Rosia ny Vavahadin-Tseraseran'ny Mpanohitra Miisa Efatra
"Tsy fantatro akory raha mbola misy mamaky ity zavatra ity" - mpitarika ao amin'ny fanoherana Alexey Navalny ao amin'ny bilaoginy izay notampenan'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana.
Tonizia: Noafahana am-ponja i Jabeur Mejri
Nofonjaina noho ny famoahana ny sariitatry ny mpaminany Muhammad ilay Toniziana 30 taona Jabeur Mejr noafahana halina.
100 Andro Any Am-pigadrana Tsy Notsaraina: Ny Tantaran'i Alaa Abd El Fattah
ndroany, fenon'ilay Ejiptiana bilaogera manana ny maha-izy azy, Alaa Abd El Fattah, ny 100 andro naha tany am-ponja azy tsy niatrika fitsarana. Jereo ity lahatsary ity hahitanao bebe kokoa mikasika ny tranga manjo azy [ang.]
Adin'i Rosia Ny Alin'ny Oscar
Nofoanan'ilay fantsom-pahitalavitra Rosiana "Channel One" ny fampitàna mivantana ny Oscar, ary notapahany ny ampahan'ny kabary nataon'i Jarod Leto tao anatin'ny rakitsariny. Efa nomanina ve?
Polisy Ampolony Miatrika Ny Diaben'ny Makedoniana Anjatony Manohitra ny Fahantrana
Notontosaina tamin'ny Asabotsy voalohany marsa tao Skopje nahitana fandraisana anjaran'olona anjatony maro mety ho nahatratra arivo ny Diabe sy ny "Rindrankiran'ny Fahamendrehana" hanoherana ny fahantrana.