Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2009
Malezia: “Aiza ny demokrasia?”
Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.
Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana
Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia. Ny 19...
Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro
Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana
Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.
Madagasikara: resaka tati-baovao mandritra ny krizy!
Koa satria moa mbola mitarazoka ny krizy politika eto Madagasikara saingy efa tsy dia liana amin'ny toe-draharaha loatra intsony ny iraisam-pirenena dia nihaona hiresaka momba ny fanangonana sy ny fitateram-baovao...
Iran: Mitohy indray ny fanoherana ny Fanjakana Islamista
Ny alakamisy lasa teo dia nihorakoraka tao Téhéran ny mpanao fihetsiketsehana anarivony nanao hoe: “aoka izay ny didy jadona” sy ny hoe “lehibe Andriamanitra”, mihantsy ny fanambarana navoakan'ny fitondrana fa...
Shina: Noana ny mpiserasera, tsy misy resa-bary intsony!
Nahantona hatramin'ny faha-8 jolay lasa teo ny Fanfou izay shinoa mpifaninana amin'ny Twitter. Hatramin'izao fotoana ny hany nolazain'i Wang Xing mpanangana ny Fanfou dia hoe noho ny antony “fikojakojana” io...
Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary
Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy....