Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Novambra, 2022
Fasana marivo tototra: mamono tsikelikely an'i Navalny, ilay tena mpitarika ny fanoherana, ny jadona ampiharin'i Poutine
Tafavoaka velona tamin'ny fikasana hamono azy i Alexey Navalny,, ilay Rosiana mpanohitra sy tena mpanakiana an'i Putin sady mpitarika ny mpanohitra, saingy ankehitriny dia vonoin'ny fitondràna tsikelikely amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fepetra fitànanana azy ao am-ponja.
33 taona lasa izay no nanomboka teny an-dalamben'i Prague ny Revolisiona Volory
33 taona taorian'ny revolisiona volorin'i Novambra 1989 izay namarana ny Komonisma tao Czechoslovakia, miara-mahatsiaro ny nanombohan'ny mpianatra hetsi-panoherana izay namadika ny pejin'ny tantara ny [eny] an-dalamben'i Prague.
Tiorkia: Ny fisandratana sy ny firodanan'ny Clubhouse
Taorian'ny volana vitsivitsy nampalaza azy teny anivon'ireo mpianatra sy mpikatroka, niditra ao amin'ilay fampiharana koa izao ireo mpomba an'i Erdoğan.
Mety hibosesika ny sioka: Todika momba ny fangatahana fanesoram-botoaty ao India
Mampametra-panontaniana momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny hery ny fifanolanana eo amin'ireo goavan'ny media sosialy, ny governemanta ary ny olom-pirenena. Niezaka nanilika amin'ny hafa mba hampandrosoana ny tombontsoany ny mpandray anjara tsirairay.
Noroahina avy any Moskoa ho any Moldova misy diam-bono ilay TikToker Nekoglai
“Mihamaro hatrany ny fampiasan'ny polisy Rosiana io fombafomba fanamelohana sy manala-baraka io” mba hanehoana ampahibemaso ny “fanenenana” sy ny fampitahorana ireo mpanao fihetsiketsehana.
Olona pelaka mandositra an'i Azerbaijan: Manirery, saingy afaka
Na dia teo aza ny tsy fisian'ny antoka ho fiarovana azy, dia naka risika i Banu ary nifindra tany Georgia izay nitadiavany asa sy nankafizany ny fahafahany.
Mitaky ny rariny ny vondrona fiarahamonim-pirenena taorian'ny nahafatesan'ny mpampita radio iray tao Filipina
“... nahatonga ny mpanao gazety ho lasibatra mora ho an'ireo vondrona manana tombontsoa izay te hanafina ny marina ny kolontsain'ny tsimatimanota ao amin'ny firenena .”
MIVANTANA amin'ny 24 Novambra: Ny fandisoam-baovao sy ny sivana ao Rosia
Miaraha aminay mivantana ao amin’ny YouTube amin’ny 24 Novambra hihaino fifanakalozan-kevitra manavatsava ny fanamafisana haingana ny fironan'ny fitaovam-panivanana ao Rosia. sy ny fampiasàny ny vaovao diso na ao anatiny na any ivelany
Mitaky fomba fandray tsaratsara kokoa atao an'ireo mpifindra monina sy olona LGBTQ+ ao Qatar ny ekipa Aostraliàna milalao amin'ny Fiadiana ny Amboara Erantany
Lahatsary iray mahery vaika manasongadina ny fanitsakitsahana zon'olombelona manjo ireo mpiasa sy ny vondrom-piarahamonin'ny LGBTQ+ ao amin'ilay firenena no navoakan'ireo Aostraliàna mpilalao baolina kitra mandray anjara amin'ny FIFA World Cup 2022 atao ao Qatar
Valo volan'ny ‘hosoka’ sy ny ‘fanalàm-baràka’: Ny fomba fampiharana ety an-tambajotra ilay lalàna vaovaon'i Kremlin manenjika ireo mpanohitra tsy manaiky ny ady
Tsy zava-baovao ao Rosia ny sivana sy ny famoretana, fa ny taona 2022, tonga tamin'ny fara-tampony izy ireny. Mifanindran-dàlana tamin'ireo fitaovana nomerika, misy lalàna iray vaovao ahafahan'ny fanjakàna manafaingana sy mamadika ny famoretana ireo mpanohitra ho lasa manana endrika indostrialy .