
Anon Nampa niteny tao amin'ny fihaonana iray tamin'ny taona 2020. Saripika avy amin'ny ranty Twitter-n'ny seha-gazety mahaleotena Prachatai, izay mpiara-miombon'antoka ara-botoaty amin'ny Global Voices.
Voaheloka higadra efa-taona an-tranomaizina noho ny fanalam-baraka ny mpanjaka ilay Thailandey mpisolovava sady mpikatroka Anon Nampa noho ny kabariny nandritra ny famoriam-bahoaka tamin'ny Oktobra 2020 raha niresaka filàna fanavaozana ara-demaokratika izy. Heverina ho famantarana iray hafa maharanga amin'ny tsy fahombiazan'ny governemanta vaovao amin'ny fampitsaharana ny fanenjehana ireo mpikatroka sy mpiaro ny zon'olombelona ity didim-pitsarana manameloka an'i Anon ity.
Tamin'ny taona 2020 no nikarakaran’ny tanora mpikatroka andiana hetsi-panoherana nitaky ny hamaranana ny fitondrana miaramila, ny handrafetana lalàmpanorenana vaovao sy ny lalàm-panavaozana ao amin'ny fanjakan'olo-tokana. Toherin'ny hetsi-panoherana ny maha ara-dalàna ny governemanta tohanan'ny miaramila izay niakatra teo amin'ny fitondrana tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014.
Vakio bebe kokoa: Nahoana ny tanora no mihetsi-panoherana ao Thailandy?
Nahazo fanohanana avy amin'ny maro ny fanentanana ho amin'ny demaokrasia, izay hita taratra tamin'ny fandresen'ny antoko mpanohitra tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Mey 2023. Tsy nahavita nanangana governemanta anefa ilay antoko nahazo vato be indrindra sy toerana be indrindra tao amin’ny parlemanta noho ny fanoheran’ny Antenimierandoholona, izay notendren’ny governemanta tohanan’ny miaramila teo aloha ny mpikambana.
Rehefa nifandrirarira ara-politika nandritra ny efa-bolana, dia nambara ihany ny fitsanganan'ny governemanta vaovao rehefa niara-niasa tamin'ireo antoko mpomba ny miaramila nahazo vato faharoa ambony indrindra izay mitsipaka ny fitakiana fanavaozana ny lalàm-panajakatokana, anisan'izany ny Fizarana faha-112 ao amin'ny Heloka Bevava na ny lalànan'ny fanalam-baraka mpanjaka ilay antoko.
Vakio bebe kokoa: Fifidianan'i Thailandy 2023: Fanohizana sa fanovana?
Voampanga ny governemanta teo aloha, notarihan'ny mpitarika fanonganam-panjakana teo aloha, Jeneraly Prayut Chan-o-cha, ho namadika nandritra ny valan'aretina ny andininy faha-112 ho fitaovam-piadiana hamelezana ireo mpitsikera, mpikatroka ary mpitarika ny mpanohitra.
Anisan’ireo nosamborina i Anon noho ny fandraisany anjara tamin’ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia tamin’ny taona 2020. Nandany 337 andro an-tranomaizina izy mandra-pamotsorana azy tamin'ny 28 Febroary 2022. Raharaha fanalam-baraka mpanjaka miisa 14 nandritra ny lahateniny tamin’ny famoriam-bahoaka izay voalaza fa nanompa ny mpanjaka no iampangana azy.
Tamin'ny 26 Septambra, noheverin'ny fitsarana ho meloka tamin'ny fanalam-baraka mpanjaka izy noho ny filazana nandritra ny famoriam-bahoaka tamin'ny Oktobra 2020 fa afaka mandidy ny polisy hanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpanjaka. Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika azy ny herinandro nanaraka.
Cartoon by Stephff: 4-year sentence for Anon Nampa pic.twitter.com/WFF5vcQoM6
— Prachatai English (@prachatai_en) October 2, 2023
Sariitatra nataon'i Stephff: didy famonjana efa-taona ho an'i Anon Nampa
Hita amin'ny sioka etsy ambony i Anon nitafy akanjo Harry Potter amin'ny fitafy cosplay nandritra ny hetsika ho amin'ny demaokrasia tamin'ny taona 2020.
Nanonona ny raharaha Anon ny Antoko Mandrosoa, izay nahazo vato be indrindra tamin'ny fifidianana farany teo, ho fampahatsiahivana hanavaozana ny andininy faha-112 sy ireo lalàna hafa momba ny fitondram-panjakatokana nampiasaina hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra. Namoaka fanambaràna ampahibemaso ny antoko taorian'ny fanamelohana an'i Anon:
[We are acting] not for any individual, but to return the rule of law to Thailand and restore the people’s faith and trust in the justice system and every core institution in the country, because an injustice against one person is an injustice against every citizen.
[Mihetsika] tsy ho an'olon-tokana, fa hamerina ny fanjakana tan-dalàna eto Thailandy sy hanarina ny finoan'ny vahoaka sy ny fitokisany ny rafi-pitsarana sy ireo andrim-panjakana fototra rehetra ao amin'ny firenena, satria ny tsy rariny atao amin'ny olona iray dia tsy rariny amin'ny olom-pirenena tsirairay.
Tao amin'ny hevitra iray ho an'ny Thai Enquirer, nanakiana ny governemanta vaovao i Arun Saronchai noho ny fandavany ny fanoloran-tenany hanao fanavaozana ara-politika.
Thailand appears to be on a path toward regression, undoing the progress hoped for by millions. The new government’s actions echo the discredited tactics of its predecessors — using the judiciary as an instrument of political repression. The sentencing of Anon Nampa not only impacts him as an individual; it also serves as a troubling precedent that sends a chilling message to anyone in the nation daring to question the status quo.
Toa mizotra mankany amin'ny fihemorana i Thailandy, manafoana ny fandrosoana andrasan'olona an-tapitrisany. Ny fihetsiky ny governemanta vaovao no mamerina ako ny tetika tsy mendrika nataon'ireo teo alohany — mampiasa ny fitsarana ho fitaovana famoretana ara-politika. Tsy amin'ny fanamelohana an'i Anon Nampa amin'ny maha-olotokana ihany no mampisy akony izany; fa natao ho ainga manahiran-tsaina izany andefasana hafatra masiatsiaka ho an'izay rehetra ao amin'ny firenena sahy mihaika ny sata misy.
Rehefa nandray ny mari-pankasitrahana ho Mpiaro ny Demaokrasia avy amin'ny Orina Mpanasoa Clooney Mpandala ny Rariny ao New York i Sirikan Charoensiri ao amin'ny Mpahailalàna Thai ho amin'ny Zon'Olombelona tamin'ny 28 Septambra, dia nanome voninahitra ny asa nataon'i Anon izy.
One time, Mr. Anon temporarily came out of pretrial detention to go to court barefoot while in a brown prison uniform. He then asked us, “where’s my attorney gown?“, then he wore it over his prison uniform, and continued doing his job defending the rights of young movement leaders who were being prosecuted for speaking truth to power.
When law is the state’s weapon of choice, lawyers must stand their ground, face this act of aggression, and safeguard the rule of law and democracy.
Indray mandeha, Atoa Anon nivoaka vonjimaika ny fonja alohan'ny fitsarana tsy nikiraro teny amin'ny fitsarana raha nanao fanamiana miloko volontany. Nanontany anay izy avy eo, “aiza ny akanjo maha-mpisolovava ahy?”, avy eo nanao izany teo ambonin'ny fanamian'ny fonja izy, ary nanohy nanao ny asany tamin'ny fiarovana ny zon'ireo tanora mpitarika hetsi-panoherana izay nenjehina noho ny filazana ny marina tamin'ny fitondrana.
Raha fitaovam-piadian'ny fanjakana ny lalàna, dia tsy maintsy mijoro eo amin'ny toerany ny mpisolovava, miatrika ity herisetra ity, ary miaro ny fanjakana tan-dalàna sy ny demaokrasia.
Niteraka fanakianana avy amin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona maneran-tany ny fanamelohana an'i Anon. Naneho ny ahiahiny momba ny fanamelohana i Ma Thida, filohan'ny Komity Iraisampirenen'ny Mpanoratra am-Ponja ao amin'ny PEN, .
Anon Nampha’s unjust conviction, sentencing and arbitrary detention for peacefully exercising his right to expression is a stark example of how Thailand’s lèse-majesté (royal insult) law has been used to silence criticism of the government.
Ny fanamelohana tsy ara-drariny, ny fanasaziana sy ny fanagadrana tsy ara-drariny an'i Anon Nampha, noho ny fampiharany am-pilaminana ny zony haneho hevitra dia ohatra iray amin'ny fomba nampiasana ny lalàna lèse-majesté (fanevatevana mpanjaka) ao Thailandy mba hampanginana ny fanakianana ny governemanta.
Raha kely indrindra dia olona 257 no miatrika fiampangana lese majeste any Thailandy, raha 11 no voatazona, anisan'izany i Anon, miandry ny valin'ny fampakarana ny raharaha ry zareo.