Nahazo fanakianana noho ny fanakanana ny ampahany amin'ny aterineto tsara aro ny governemanta Meksikana

 

Sary fanoharana nataon'ny Global Voices mampiseho ny tongolo, mariky ny Tambajotra Tor.

Nanomboka tamin'ny fitantanan'ny filoha Meksikana Enrique Peña Nieto (2012–2018) ka hatramin'izao, mpanao gazety mpanao fanadihadiana marobe no nitatitra fa manakana ny fidirana amin'ny tambajotra Tor ny tranonkalan'ny sampan-draharaham-panjakana samihafa.

Any Meksika, tombanana ho miisa 30.000 ka hatramin'ny 40.000 ny olona mampiasa ny tambajotra Tor. Teknolojia ampiasaina manerantany ahafahan’ny olona manana fahalalahana miditra sy maneho hevitra amin'ny aterineto ny Tor nefa sady mitazona ny fiainany manokana no tsy mitonona ny anarana ihany koa. Miankina amin'ny tambajotra mihoatra ny vona sy fampitampitana miisa 6.000.000 ny fanatanterahana izany izay mamela ny lalam-panafenan-jotra tsy hitononana anarana. Antsoina ara-panoharana hoe ” lalam-panafenan-jotra tongolo” ihany koa izy io noho ireo fiampitampitana mandrafitra ny tambajotra.

Nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny mailaka ny mpitondratenin'ny Tetikasa Tor, ilay fikambanana ao ambadiky ny fampivoarana ny rindrambaiko tambajotra Tor, Pavel Zoneff hoe:

La red Tor es utilizada por millones de usuarios diarios para acceder de forma segura a Internet, salvaguardar su derecho a la información y la libertad de expresión y evitar la censura o la vigilancia gubernamental.

Ampiasain'ny mpisera an-tapitrisany isan'andro ny tambajotra Tor mba hidirana am-pilaminana amin'ny aterineto, hiarovana ny zony hahazo vaovao sy halalaka maneho hevitra, ary hialana amin'ny sivana na ny fanaraha-maso ataon'ny governemanta.

Logo an'ny Tor. Sary avy amin'ny: Wikipedia, nampiasana lisansa CC BY 3.0 US license.

Any Meksika, nampiroborobo ny tambajotra Tor ny vondrona fiarahamonim-pirenena. Tafiditra ao anatin'izany ny fampiasana boaty mailaka tsy mitonona anarana ao amin'ny efitrano famoaham-baovao sy ny fiarovan-tena ary ny fiarovana nomerika ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona.

Miatrika olana amin'ny fahalalahana maneho hevitra i Meksika, izay mety hanazava ny antony fahalianana hanana fomba azo antoka hifandraisana an-tserasera. Matetika mahatsapa ho tandindonin-doza eo am-panatanterahana ny asany ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana, ary ny mpanao gazety, ka mampidi-doza ny ainy manoloana ny fakana an-keriny, fanjavonana, ary famonoana. Amin'ny resaka fidirana amin'ny aterineto, misy ny sakana amin'ny fidirana, ny fetran'ny votoaty ary ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpampiasa araka ny tatitra nataon’ny Fahalalahana amin'ny Aterineto 2022.

Eken’ny lalàna Meksikana ny zon'ny fitanan-tsiambaratelo sy ny fidirana amin'ny aterineto, ny fifanakalozam-baovao, ny fahalalahana maneho hevitra, ary ny fanehoan-kevitra araka ny voalazan'ny andininy faha-60 ao amin'ny lalàm-panorenana sy ny andininy faha-191 fizarana faha XV amin'ny Lalàna Federaly momba ny Fifandraisandavitra sy Fandefasam-baovao ao Meksika. Ahitana andinin-dalana izay efa ankatoavina iraisampirenena fa mifanohitra amin'ny zon'olombelona amin’ny nomerika ihany koa anefa ity lalàna ity. Ohatra iray amin'izany ny Andininy faha-190 amin'ny Lalàna momba ny Fifandraisan-davitra, izay ahafahan'ny mpandraharahan'ny fifandraisandavitra mitazona angondrakitra.

Fanampin'izany, mampiasa ny Tor amin'ny tanjona hanoherana ny kolikoly ny governemanta Meksikana. Miara-miasa amin'ny tambajotra Tor ny boaty mailakan’ny minisiteran’ny Fitantanam-panjakana mba hiantohana ny tsy famantarana ireo mpanao ampamoaka.

Manaraka rafi-pitsipika ity hetsika ity izay manaiky fa tsy maintsy voaantoka ny tsi-famantarana anarana eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana sy ny fanaraha-maso ireo mpanao ampamoaka. Araka ny voalazan’ny Gazetim-panjakana ofisialy hoe:

Resguardo de confidencialidad: Es la obligación a cargo de todas las personas adscritas a la Coordinación, el Coordinador General con apoyo del Coordinador deberán supervisar, controlar y evaluar que todas las actividades del Sistema garanticen el anonimato de los alertadores y de la información, tomando las medidas que sean necesarias, así como implementar las acciones de mejora que contribuyan a este fin.

Fiarovana ny fitanan-tsiambaratelo: Adidin'ny olon-drehetra voatendry ao amin'ny Fandrindrana, ny Mpandrindra Ankapobeny manana fanohanan'ny Mpandrindra no tsy maintsy manara-maso, mifehy ary manombatombana fa ny hetsika rehetra ao amin'ny Rafitra dia miantoka ny tsy famantarana ireo mpisintona lakolosy sy ny mombamomba azy ireo, ary mandray ny fepetra ilaina ary koa mampihatra ny fandraisana andraikitra nohatsaraina izay manampy amin'izany tanjona izany.

Tsikaritry ny mpanoratra an’ity lahatsoratra ity anefa fa manakana ny fidirana amin'ny Tor ny URL miisa 39 an'ny sampan-draharaham-panjakana miisa 21. Notombanana sy nodinihina izany nanomboka tamin'ny 2020 ka hatramin'izao, ary notazonina ampolony taona farafahakeliny ireo sakana.

Mampiseho fampitahana ny URL voasakana sy azo idirana ao amin'ny sehatra “.gob.mx.” tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity ny kisary manaraka.

Mena: Voasakana; volon-davenona: Azo idirana

Nanatona ny Governemanta Meksikana ny Global Voices amin'izay fanjohin-kevitra sy anton'ny fanakanana, tamin'ny fifandraisana tamin'ny biraon'ny filoha, izay miandraikitra ny paikady nomerika ary miandraikitra ireo fotodrafitrasa ireo. Nilaza taminay i Juan Carlos Guerrero Torres, Talen'ny Fanadihadiana Lalàna sy ny Fitantanana ny antontan-taratasy ao amin'ny biraon'ny filoha ho valin’ny fangataham-baovao fa:

(…) se toman medidas de protección como bloquear tráfico de red considerado malicioso, automatizado o que podría ser una amenaza, lo que afecta a los usuarios de la red Tor, ya que por la naturaleza de la misma no es posible diferenciar entre el usuario medio y el automatizado lo cual es considerado un riesgo para gob.mx, derivado a eso se restringe el acceso por dicha red.

(…) noraisina ny fepetra fiarovana ho fanakanana ny zotran-tambajotra izay heverina ho manimba, mandehahoazy, na mety ho fandrahonana, izay misy fiantraikany amin'ny mpisera tambajotra Tor, satria, tsy azo atao ny manavaka ny mpisera tsotra sy ny mpisera mandehahoazy noho ny toetry ny tambajotra. Heverina fa mety hampidi-doza ho an'ny gob.mx izany, izay mahatonga ny famerana amin’ilay voalaza fa fidirana amin'ny tambajotra.

Manoloana ny toeran'ny Governemanta Meksikana, nanamarika i Zoneff, avy amin'ny Tetikasa Tor fa:

Bloquear secciones enteras de Internet basándose en la creencia obsoleta de que todo el tráfico de la red Tor es indistinguible o malicioso es un error y pone a las personas en riesgo. Hay varias formas para que los sitios web se defiendan contra amenazas como ataques DoS, actividad de bots y otras actividades maliciosas sin aislar a una parte significativa de la comunidad global en línea.

Fahadisoana ary mampidi-doza ny olona ny fanakanana ny ampahany manontolo amin'ny aterineto noho ny fiheverana izay efa lany andro fa tsy azo avahana na manimba ny zotra rehetra ao amin'ny tambajotra Tor. Misy fomba maro ahafahan'ny tranonkala miaro amin'ny fandrahonana toy ny fanafihana DoS, ny asan’ny raboto ary ny asa manimba hafa nefa tsy manilika ny ampahany lehibe amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera manerantany.

Nanampy ilay mpitondrateny fa misy ny fampiharana ara-teknika izay mampiseho fa azo atao ny mampifandanja ny fampihenana ny loza mety hitranga amin'ny mpisera sy ny tranonkala nefa tsy mandà ny fidirana amin'ny aterineto ho an'ireo izay miantehitra amin'ny tambajotra Tor.

Un ejemplo de ello es nuestro trabajo con Cloudflare para verificar el tráfico legítimo mediante captchaing, Privacy Pass y otras técnicas de limitación de velocidad que respaldan los servicios .onion desde 2018. Estas implementaciones no son específicas de Cloudflare y demuestran que es posible lograr un equilibrio.

Ohatra iray amin'izany ny asanay amin'ny Cloudflare hanamarinana ny fifamoivoizana ara-dalàna amin'ny fampiasana Captchaing, Privacy Pass ary ny teknika mametra mega hafa izay miantoka ny serivisy tongolo nanomboka hatramin'ny 2018. Tsy voafaritra manokana amin'ny Cloudflare ireo fampiharana ireo ary mampiseho fa azo atao ny manatanteraka fifandanjana.

Tantara mifandraika aminy:

We made the largest Mexican telecommunications operator stop blocking secure internet

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.