Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2017

21 Oktobra 2017

Iran: Firenen'Ny Bilaogera

Noforonin'ireo mpianatra tao amin'ny Sekolin'ny Fianarana Horonan-tsarimihetsika Vancouver (VFS) ny lahatsary fohy eto ambany, "Iran: Firenen'ny bilaogera". Namorona ity lahatsary ity ho ampahan'ny asan'izy ireo hanaovana ny programa Famoronana Nomerika VFS i Aaron Chiesa, Toru Kageyama, Hendy Sukarya sy Lisa Temes.

19 Oktobra 2017

Hetsika 24 Ora Manohitra Ny Fanampenam-Bava Amin'ny Aterineto

Manomana hetsika antserasera manohitra ny sivana amin'ny Aterineto ny namanay ao amin'ny Reporters without Borders (matetika antsoina hoe "RSF" - Reporters sans Frontières ).

Ny Tsy Fanaovana Herisetra, Ny Fandalàna Ny Nentim-paharazana ary ny Zon'Olombelona

Nanao antsafa niaraka tamin'ny  Dr. Brian Martin, mpanoratra ny tsy fisian'ny herisetra, ary mpampianatra mpiara-miombon'antoka ao amin'ny Siansa, Teknolojia ary ny Fiarahamonina ao amin'ny Oniversiten'i Wollongong ny Fanousian, bilaogy iombonana. Efa nifantoka tamin'ny hetsika tsy mila herisetra nandritra ny volana maromaro ity blaogy ity.

Andron'ny Vehivavy sy ny Firaisankina

Mikarakara fihaonambe mandritra ny Andron'ny Vehivavy ny vehivavy Iraniana sy ny bilaogera. Mampahafantatra antsika i Zannevesht, bilaogera & mpanao gazety Iraniana fa hisy ny fihaonambe hototonsaina ao amin'ny sampan'ny siansa sosialy ao amin'ny anjerimanontolo ao Teheran amin'ny 8 martsa. Ny lohahevitra lehibe horesahina dia ny herisetra atao amin'ny vehivavy.

18 Oktobra 2017

Afghanistana: Kabul Bank Eo Am-pahafatesana

Eo am-pahafatesana, manana trosa 1 miliara ny banky, izay an'ny rahalahin'i Hamid Karzai, filohan'i Afghan. Olona an'arivony no afaka naka vola mahery ny 200 tapitrisa dolara tamin'ny herinandro lasa, fa ny hafa kosa tsy navelan'ireo mpiambina mitam-piadiana niditra tao amin'ny banky.

Iran: Manao Fanentanana Hiarovana An'i Isfahan Ireo Mpiaro Ny Tontolo Iainana

Mampiasa fitaovana fampahalalam-baovao antserasera mba hiarovana ireo tsangambato ara-kolontsaina isan-karazany toy ny The Si-o-se Pol or "33 Pol" (tetezana misy andohalambon-tetezana (arches) 33), ravaka ara-javakanto iray ao afovoan-tanàna manatantara ao Isfahan (Esfahan) Iran ireo Iraniana mpiaro tontolo iainana.

Iran: Bilaogera Mety Hiatrika Fiampangana ‘Fihantsiana Ady Amin'Andriamanitra’

Misy ny fitomboan'ny ahiahy fa mety ho voampanga amin'ny moharbeh (mihantsy ady amin'Andriamanitra / fankahalàna an'Andriamanitra) amin'ny fotoam-pitsarana ho avy i Shiva Nazar Ahari, mpikatroka ny zon'olombelona, bilaogera sady tonian-dahatsoratry ny tranonkalan'ny Komity ny Mpitati-baovao momba ny Zon'Olombelona ao Iran izay migadra any am-ponja.

Iran: Ny Fahafatesan'ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri

Nitatitra ireo olom-pirenena Iraniana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisampirenena fa mpanohitra an'aliny no nidina an-dalambe tao amin'ny foibe teolojikan'i Iran tamin'ny Alatsinainy ary nifandona tamin'ny milisy mpomba ny governemanta nandritra ny fandevenana ilay mpitondra fivavahana ambony ao amin'ny fanoherana ao amin'ny firenena, ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri.

Iran: Mitombo Ny Disadisa Satria Efa Akaiky Ny Andron'ny Mpianatra

Nanomana fihetsiketsehana goavana ny mpanohitra Iraniana amin'ny Alatsinainy 7 Desambra satria manamarika ny Andron'ny Mpianatra fanao isan-taona i Iran, fahatsiarovana ny famonoana ireo mpianatra telo tamin'ny taona 1953.

17 Oktobra 2017

Iran: Mety Hiatrika Sazy Ho Faty i Hossein Derakhshan (“Hoder”), Bilaogera Nogadraina

Loharanom-baovao azo antoka no nilaza tamin'ny Global Voices fa mitady hanameloka ho faty an'i Hossein Derakhshan, bilaogera Iraniana (fantatra amin'ny hoe "Hoder") ny mpampanoa lalàna ao Tehran.