Andron'ny Vehivavy sy ny Firaisankina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Mikarakara fihaonambe mandritra ny Andron'ny Vehivavy ny vehivavy Iraniana sy ny bilaogera. Mampahafantatra antsika i Zannevesht, bilaogera & mpanao gazety Iraniana fa hisy ny fihaonambe hototonsaina ao amin'ny sampan'ny siansa sosialy ao amin'ny anjerimanontolo ao Teheran amin'ny 8 martsa. Ny lohahevitra lehibe horesahina dia ny herisetra atao amin'ny vehivavy.

Cafe 84, bilaogera monina ao Iran indray dia mampahafantatra antsika fa nisy ny fihaonambe hafa nokarakaraina tao amin'ny Sampan'ny Lalàna tao amin'ny anjerimanontolon'i Teheran. Nisy ihany koa ny fampiratiana boky. Ny boky momba ny fivarotan-tena, ny ankizy an-dalambe sy ny fangatahana an-dalambe ihany no voaràra.

Shahram Kholdi, bilaogera sady mpampianatra ambony monina any UK indray nanadihady ny lahatsoratr'i Roya Hakakian tao amin'ny gazety Wall Street. Nilaza Ramatoa Hakakian fa tsy misy firaisankina loatra eo amin'ny Iraniana mba hanohanana ireo hetsi-panoherana tahaka ny fitokonan'ny fiara fitateram-bahoaka. Mr.Kholdi nanoratra hoe:

I agree with Roya that the Iranian Human Rights Activist Community has failed to show the much expected solidarity, not only in supporting Tehran's Bus Drivers’ Strike, but also in acting upon many other instances of severe violation of human rights. We, those of us who claim to promote human rights (especially those of us who prefer to focus on Iran) to ensure that the Tehran's Bus Drivers’ Strike to be appear as frequently as possible on the front page of as many major Western newspapers. Iranian human rights activists have failed to mount a publicity campaign throughout the Western media to expose the most recent atrocities committed by the Islamic Republic's Judiciary-Intelligence complex internationally. From the young female journalist Elham Forutan, who was even rumoured to have attempted suicide in the Evin prison, to the Bus Drivers’ Strike, we could and should have done more and we have not.
I disagree with her that we have not been doing much at all. At least in the blogosphere, there have been many who have been active to ensure that the voice of the Striking Bus Drivers to be echoed as much as possible. Unfortunately, the Blogosphere's reach is limited and cannot be exaggerated. Starting with Regime Change Iran in December 2005, to Freethoughts Babak Seradjeh's piece . Indeed, Farid Pouya covered on Global Voices online, as well as his own weblog. These are just two examples, there are many others
.

“Miombon-kevitra amin'i Roya aho fa tsy nahavita nampiseho firaisankina nantenaina loatra ny Fikambanan'ny Mpikatroky ny Zon'olombelona Iraniana, tsy vitan'ny hoe tsy nanohana ny Fitokonan'ireo Mpamily Fiara fitateram-bahoaka ao Tehran izy ireo, fa koa tsy mba nihetsika manoloana ireo tranga maro hafa amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Isika, izay milaza fa mampiroborobo ny zon'olombelona (indrindra fa ireo izay te hifantoka amin'i Iran) mba hiantohana fa hipoitra matetika araka izay azo atao ao amin'ny pejy voalohan'ny gazety lehibe Tandrefana maro ny fitokonan'ny mpamily fiara fitateram-bahoaka ao Tehran. Tsy nahavita nanangana hetsika fanentanana tamin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao tandrefana ireo mpikatroka Zon'olombelona mba hampisehoana ireo habibiana vao haingana indrindra nataon'ny Ivon-toerana iraisampirenena Ara-pitsarana sy Fitsikilovana ao amin'ny Repoblika Islamika. Manomboka amin'ilay tovovavy mpanao gazety Elham Forutan, izay nolazain'ny tsaho fa saika hamono tena tao amin'ny fonjan'i Evin, hatramin'ny fitokonan'ny Fiara fitateram-bahoaka, afaka sy tokony hanao zavatra bebe kokoa isika kanefa tsy nanao izany.

Tsy miombon-kevitra aminy aho hoe tsy nanao zavatra betsaka mihitsy isika. Farafahakeliny tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, maro ireo navitrika mba hiantoka fa haparitaka araka izay tratra ny feon'ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka. Indrisy fa voafetra ny taha-pifandraisana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy ary tsy azo hitarina. Nanomboka tamin'ny fanovàna ny fitondrana tao Iran tamin'ny Desambra 2005, hatramin'ny lahatsoratr'i Freethoughts Babak Seradjeh’. Eny tokoa, nitati-baovao tao amin'ny Global Voices i  Farid Pouya , ary koa tao amin'ny bilaoginy manokana. Ohatra roa fotsiny ireo, fa mbola misy maro hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.