Iran: Ny Fahafatesan'ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri

(Fanamarihana: efa tamin'ny Desambra taona 2009 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Nitatitra ireo olom-pirenena Iraniana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisampirenena fa mpanohitra an'aliny no nidina an-dalambe tao amin'ny foibe teolojikan'i Iran tamin'ny Alatsinainy ary nifandona tamin'ny milisy mpomba ny governemanta nandritra ny fandevenana ilay mpitondra fivavahana ambony ao amin'ny fanoherana ao amin'ny firenena, ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri. Ato raha hijery sary.

montazerigreen

Tamin'ny sary navoaka tao amin'ireo tranonkala mpanohitra sasany, naseho tamin'ny loko maitso i Montazeri, lokon'ny mpanohitra Iraniana. Milaza izany hoe ‘Mampamangy any amin'i Neda sy Sohrab (mpanao fihetsiketsehana roa novonoin'ny mpitandro filaminana nandritra ny fihetsiketsehana taorian'ny fifidianana tamin'ity taona ity).

Ity lahatsary tamin'ny fandevenana ny Ayatollah Montazeri.

Nikahang, Iraniana mpanao sariitatra malaza sady bilaogera namoaka sariitatra fahatsiarovana an'i Montazeri ihany koa.

montazeribehesht

Misy lahatsary iray hafa ihany koa mampiseho lanonana ho an'i Montazeri tao amin'ny Oniversiten'i Elmo Sanat ao Teheran. Niantsoantso ireo teny faneva toy ny hoe “velona i Montazeri!” sy “Misaona ny hetsika maitso!” ny olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.