Tanzaniana mpanora-baovao miatrika fiampangana foroporonina rehefa nalaina an-keriny sy nohazonina

Erick Kabendera nandritra ny fotoam-panazarana niaraka tamin'ny mpanao gazety tamin'ny taona 2012 tao Dar es Salaam. Saripikan'i Pernille Baerendtsen, nahazoana alalana.

Tamin'ny faha-29 Jolay, polisy manao fanamiana sivily miisa enina no namoaka an-katerena an'i Erick Kabendera, mpanangom-baovao, hiala ny tranony ao Dar es Salaam, Tanzania, ary nitondra azy tao amin'ny fihazonan'ny polisy. Nilaza ny polisy fa nanadino ny hankatoa ny fiantsoana azy hofotorina amin'ny sata maha-olompirenena tanzaniana azy i Kabendera.

Nandritra ny faran'ny herinandro, nikaroka an'i Kabendera indroa tao an-tranony ny polisy, nandraoka ny pasipaorony sy ny dosie hafa momba azy ary nanao famotorana ny fianakaviany.

Niova lalana indray ny manampahefana tamin'ny 5 aogositra, miampanga an'i Kabendera ho manao fanadiovam-bola, mandositra hetra mitentina $75.000 dolara  Etazonia, ary maka vola tsy ara-dalàna amin'ny olona, araka ny kopian'ny fiampangana azon'ny komity mpiaro ny mpanangombaovao (CPJ). Lazain'ny polisy fa tao anatin'ny efa-taona no nanatontosan'i Kabendera ireo heloka bevava ireo nanomboka tamin'ny taona 2015.

Manoloana ireo fiampangana ireo dia mety higadra hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina i Kabendera ary tsy afa-mahazo fanafahana vonjimaika amin'ny alalan'ny onitra solofonja.

Magufuli an'i Tanzania ??
Voalohany naka ankeriny mpanao gazety ry zareo, rehefa misy ny kiakia-pahatezerana dia lazaina fa tsy Tanzaniana indray izy, rehefa tsy azo najoro indray izany dia voampanga ho manao fikambanan-jiolahy sy mandositra hetra indray izy. O ray olona ô, fantaro i Kabendera, fanoratan-gazety no helony.

“Simba dia simba tokoa ny fahalalaham-pampitam-baovao ao anatin'i Tanzania an'i Magufuli,” hoy ny tatitr'i CPJ.

Milaza i Muthoki Mumo solontenan'i CPJ eto Afrika atsimon'i Sahara:

It seems that for the past week, authorities have been searching for a way to justify their detention of this critical freelance journalist. First, they claimed Erick Kabendera’s citizenship was in question, today they have leveled drastically different charges, which call into question their motive for holding him.

Tsikaritra fa nitady lalana hanamarinana ny fihazonana ity mpanora-baovao mahaleotena mpitsikera ity ny manampahefana. Voalohany, milaza ry zareo fa (mampisalasala) ny mahaolompirenena azy, androany indray ry zareo nakariny avo dia avo ny fiampangana isan-karazany, izay mampiteraka ahiahy ny antony manetsika azy ireo hihazona azy.

Amin'ny maha-mpampita vaovao azy i Kabendera no nitsikera ny fitondran'ny Filoha John Magufuli ary matetika izy no mirona mankany amin'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao. Matetika izy no mitatitra ny tsy fitovia-keviny amin'ny politikan'i Tanzania any amin'ny fampitam-baovao ao an-toerana sy iraisampirenena tahaka ny The Guardian, African Arguments ary The East African.

Nilaza ihany koa i Jebra Kambole, mpisolovavan'i Kabendera, fa nampangain'ny manampahefana ho mampisara-bazana tamin'ny filazana ho namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Potipotehan'i John Magufuli ny fahalalahan'i Tanzania,” tao amin'ny The Economist  izy saingy najanona io fiampangana io avy eo.

Eo ihany: Hampangaina ho mampisara-bazana ny mpanao gazety tanzaniana Erick Kabendera tamin'ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny The Economist mitondra ny lohateny hoe “Potipotehan'i John Magufuli ny fahalalahan'i Tanzania”.
Manondro ny fanambaràn'i Jebra Kambole fa tsy nekena ny onitra solofonjan'Atoa Kabendera.

Mahaolompirenena kendrena ho fitaovam-pamoretana

Nilaza ny fianakavian'i Kabendera fa tsy vao sambany no nanontanian'ny manampahefana ny mahaolompirenena tanzaniana an'i Kabendera. Tamin'ny taona 2013 ny manampahefana no efa nametraka fitoriana azy mitovy amin'izany saingy tsy nisy tohiny ny raharaha avy eo, araka ny nolazain'ny The Citizen. Mahatsapa i Kabendera tamin'izany fotoana izany fa nanao izay hampisalasalana ny mahaolompirenena azy ny manampahefana ho fomba iray hampanginana azy.

Tamin'ny herintaona, notaterin'ny The Citizen ihany koa ireo raharaha hafa izay nampiasain'ny governemanta ny fampisalasalana ny mahaolompirenena ho “fitaovana hampanginana ireo mpitsikera ao Tanzania”. Nilaza i Aidan Eyakuze, tale mpanatanteraky ny Twaweza, fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena mifantoka amin'ny feon'ny olompirenena, fa noraofin'ny manampahefana ny pasipaorony ary noraràna izy tsy handeha fa hohadihadiana ny sata mahaolompirenena an'i Eyakuze.

Tapabolana talohan'io, navoakan'i Twaweza ny valin'ny fitsapan-kevitra nantsoina hoe “Speaking truth to power? Citizens’ views on politics in Tanzania.” [Milaza ny marina amin'ny fahefana? Fijerin'ny olompirenena amin'ny politika ao Tanzania] Nilaza ny Vaomieran'ny Siansa sy ny Teknolojia (Costech) fa tsy nahazoana alalana ny fitsapan-kevitra ary nandrahona fa hametraka fitoriana saingy tsy nisy tohiny ny raharaha taty aoriana, araka ny nolazain'ilay lahatsoratra ao amin'ny Citizen ihany.

Namoaka andiana fanitsiana sy lalàna i Tanzania izay mikendry ny bilaogera sy ny fampitam-baovao, fikambanana fiaraha-monim-pirenena, fikambanana ara-javakanto sy ara-kolontsaina ary mpampianatra ambony sy mpikaroka ao amin'izay jeren'ny mpanara-baovao mpitsikera ho fikasana ifehezana ny zavatra tantaraina momba an'i Tanzania sy hanemporana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanivahana ara-politika.

#FreeErickKabendera

Nofenoin'ny mpanora-baovao, mpanandratra ny zon'olombelona ary mpitarika olompirenena fanohanana an'i Kabendera ny media sosialy:

Antsoin'ny AFEX Africa ho “fanitsakitsahana an-karihary” ireo fiampangana ireo :

Sivy andro izao fa mbola hazonin'ny polisy tanzaniana i Erick Kabendera mpanora-baovao fanadihadiana. Miantso ny famaranana io asam-panitsakitsahana ankarohary io ny @AFEXafrica.

Nahatonga ity sioka avy amin'ny mpianany teo aloha ity i Kabendera, izay matetika mpanorolalana ireo te-ho mpanora-baovao :

Indray mandeha teo amin'ny fiainako, ary latsaky ny 80 minitra, aho no nihaona tamin'i Erick Kabendera. Tonga teo amin'ny kilasy misy ahy amin'ny maha-vahiny mpiahy izy (Sekolin'ny famoaham-baovao sy ny fampitam-baovao ho an'ny daholobe @UniofDar). Na dia fotoana vetivety aza no niarahany taminay, betsaka ny torohevitra azoko avy aminy. Tena nanome aingam-panahy ho ahy tokoa izy !

Nanamarika ny mpiserasera iray hafa fa fampitandremana hoan'ny olom-pirenena hafa ny fisamborana sy ny fiampangana foroporonina azon'i Kabendera :

Tsy miaro an'i Kabendera noho izy Tanzaniana azy na amin'ny maha-mpanora-baovao azy aho. Miaro azy aho satria monina eto Tanzania izay onenako i Erick. Raha tsy nomena azy ny zony androany, ary mangina aho, mety ho avy koa ny fanalana ny zoko rahampitso. Tsy misy voaaro rehefa “manjaka ny tsy rariny.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.