· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Jolay, 2017

Jamaika: Veloma Farany Ho An'Ilay “Mpitondra Mahafinaritra”

  20 Jolay 2017

Matytao an-tranony tany Londres ilay mpihira reggae malaza Jamaikana Gregory Isaacs , fanta-daza amin'ny anarana hoe ilay "Mpitondra Mahafinaritra" rehefa niady tamin'ny homamiadana efa hatry ny ela. Inoana fa ny hirany "Night Nurse"izay rakikira tamin'ny taona 1982 no tena nampalaza indrindra an'i Isaacs.

Mandoro ny Sambon'ny Andriamanitry ny Pesta I Taiwan

  20 Jolay 2017

Iray amin'ireo fombafomban'ny mponina an-dranomasina malaza any atsimo andrefan'i Taiwan ny fandoroana ny sambon'ny andriamanitry ny pesta. Tany am-boalohany, ny hamerina ny andriamanitry ny areti-mandringana any an-dranomasina miaraka amin'ny aretina no tanjon'ny fombafomba ; ankehitriny, atao izany fombafomba izany mba hivavahana hisian'ny fandriampahalemana sy fanambinana.

Fifaninanana Youtube Ho An'ny Te-ho Mpanao Gazety

  19 Jolay 2017

Araka ny efa voalaza tamin'ny volana Aogositra, manomboka ny Project : Report [Tetikasa : Tatitra] ao amin'ny YouTube sy ny Foibe Pulitzer , izay fifaninanana ho an'ny te-ho mpanao gazety, ary efa vonona amin'ny toerany avokoa ny fitsipika sy ny torolalana rehetra.