Fifaninanana Youtube Ho An'ny Te-ho Mpanao Gazety

(Marihina fa tamin'ny 18 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Araka ny efa voalaza tamin'ny volana Aogositra, manomboka ny Project : Report  [Tetikasa : Tatitra] ao amin'ny YouTube sy ny Foibe Pulitzer , izay fifaninanana ho an'ny te-ho mpanao gazety, ary efa vonona amin'ny toerany avokoa ny fitsipika sy ny torolalana rehetra.  Natokana ho an'ny mpandray anjara izay monina ara-dalàna any amin'ny firenena izay misy ny YouTube amin'ny fomba ofisialy ny fifaninanana sy ny loka: Aostralia, Brezila, Kanada, Frantsa, Alemaina, Irlandy, Italia, Korea, Nouvelle-Zélande, Espaina, Holandy, Fanjakana Britanika (Angletera, Irlandy Avaratra, Ekaosy ary ny Galoà), sy ny fanjakana miisa dimampolo any Etazonia miaraka amin'ny Distrikan'i Kolombia. Ahitana ny fandefasana lahatsary 3 minitra fara fahabetsany amin'ny teny anglisy (na amin'ny dikanteny anglisy) ny dingana voalohany amin'ny fifaninana izay ahitana anao manolotra olona iray avy any amin'ny vondrom-piarahamoninao ary heverinao fa tokony hampafantarina ny sisa amin'izao tontolo izao .

Ho toy ny ohatra amin'ny karazana tantara izay tadiavina sy ny fomba hitantarana izany dia misy ny andiana lahatsary izay navoaka mba hanampiana ireo mpanao gazetin'ny hoavy miandrandra ny hahazo ny loka, ahitana vatsim-pianarana mitentina 10,000$  sy solosaina iray:  mampiseho ilay mpitati-baovao Tracy Chung  mamolavola sy mandrakitra ny fitaovana ho an'ny lahatsary iray ny andiana lahatsary telo miaraka amin'ny torohevitra momba ny fomba tsara indrindra hitantarana ny tantaranao (andiany voalohany, faharoa sy fahatelo). Mampiseho ilay mpanao gazety Beth Murphy izay tohanan'ny Foibe Pulitzer manome torohevitra momba ny fisafidianana ny mpiantsehatra mety amin'ny filazana ny mombamomba ny olona tantarainao ny lahatsary iray hafa. Ny lahatsarin'ny menavazana iray avy tany amin'ny ady tany Iraka Kirk Johnson no maodely harahina ho an'ny mpandray anjara, izay nanolotena ny hanavotra ny Irakiana nanampy ny Amerikana ary manana  fiainana tandindonin-doza ankehitriny vokatr'izany.

Ireto lahatsary manaraka ireto dia ohatra hafa amin'ny tantaran'ny mpilalao naseho tao amin'ny fantsona YouTube ho an'ny fifaninanana. Ny an'i Simon Mothibi no endrika aseho voalohany, atleta sembana ara-batana iray avy atsy Afrika Atsimo izy izay mitondra ny fanantenana ho an'ny fianakaviany (nalain'ny avmendes1 )

Ity manaraka ity indray dia avy any Tanzania izay nahitana ny Camfed international, fikambanana iray mikasa ny hanome fampianarana ny ankizivavy any Afrika, mitantara ny tantaran'ny tovovavy iray, Yacinta, izay nandao ny sekoliny mba hiasa ho mpanampy an-trano nandritra ny iray taona sy tapany, mba hahazoany vola handoavana ny saram-pianarany: nanome azy vola handoavana ny saram-pianarany ny Camfed; ary mianatra izy ankehitriny mba ahafahany  mandoa ny fianaran'ny mpiray tam-po aminy rehefa any aoriana.

Azonao jerena ato ny fitsipiky ny Project : Tatitry ny YouTube feno. Ny 5 Oktobra no fe-potoana farany fifantenana voalohany. Ary ho an'ny bilaogera any ampielezana rehetra izay monina any amin'ny iray amin'ireo firenena voafidy, na ho an'ny mponina ara-dalàna ao amin'ireo firenena ireo kanefa monina any an-kafa, dia tonga ny fotoana mahafinaritra mba hampafantaranareo an'izao tontolo izao ny maherifonareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.