Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Foaram-bokin'ny bilaogera Ejipsiana

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka janoary 2009)

Nataon'ny bilaogera ejipsiana nitafiotra ny foaran'ny boky iraisampirenena ao Kairo taona 2009 tamin'ny famoahana lohateny vaovao miisa 15.

Nanoratra i Mohamed Hamdy :

من جديد يثبت المدونين المصريين أنهم مازالوا تحت دائرة الضوء فى مصر … هؤلاء الشباب الذين إتخذوا من الكتابة عبر الإنترنت وسيلة لجذب إنتباه مجتمع كامل إليهم … اليوم تتبلور نتائج أعمالهم من خلال معرض الكتاب المصرى لعام 2009 فمع إنطلاق فعاليات المعرض كانت أولى ندوات المعرض والتى ستقام الخميس عن أدب المدونين حيث يشارك فيها المدونين غادة عبد العال و شادى أصلان ومياده مدحت وسينظمها الكاتب الكبير الأستاذ يوسف القعيد
كتب المدونين فى المعرض لا تعد ولا تحصى .. المدون المصرى محمد التهامى يصدر له رواية هيروبولس وكتاب “إشتغل وإنت فى البيت” بالإضافة لإعادة بيع مجموعته القصصيه السابقة بنى أدم مع وقف التنفيذ. ساديزم هو عنوان المجموعة القصصية التى يصدرها المدون محمد الغزالى. وتصدر فى معرض الكتاب ثلاثة كتب اخرى يصدرها مدون أخر هو حسام مصطفى ابراهيم حيث يصدر له كتب “لولا وجود الحب” و “من غلبى” و “يوميات مدرس فى الأرياف”
فنان … كاتب .. شاعر.. والأروع : مدون بالتأكيد نتحدث عن الفنان خالد الصاوى والذى يصدر له ديوان أجراس والنص المسرحى اللعب فى الدماغ ويوميات خلود. للكاتبة والناقدة والصحفية والمدوّنة هويدا صالح صاحبة مدوّنة عشق البنات تصدر لها رواية عشق البنات خلال معرض الكتاب الحالى
أما عن ظاهره اشتراك اكثر من مدون فى إخراج كتاب واحد فهى تجربه جديده .. بدأتها بدرية طه وبسمه عبد الباسط من خلال كتاب “البنات عاوزه ايه” , ثم تبعهم محمد كمال حسن ومصطفى الحسينى بكتاب “قهوة المصريين” المدونة سحر غريب سيدصدر لها كتاب “حماتى ملاك” ويصدر لمحمد فتحى مجموعة مقالات فى كتاب بعنوان “مصر من البلكونه”
والسؤال هو : هل نشهد ظاهرة تحول التدوين من ظاهره الكترونية الى ظاهره مقروؤة ؟ وما هى الحدود الحقيقية لهؤلاء الجالسين خلف الشاشات المضيئة يكتبون؟
Hita indray ireo Ejipsiana bilaogera fa mihazona ny hahitana azy ambany masoandro; ireo tanora mandray ny famahanam-bilaogy hisintonana ny fifantohana amin'izay tian-dry zareo lazaina, sy ny momba ny fiarahamonin-dry zareo. Androany nankatoavina ny fisian-dry zareo tsy azo lavina tao amin'ny seminera voalohany amin'ny Foaran'ny boky iraisampirenena tao Kairo taona 2009 izay niresahana ny fitomboan'ny literatioran'ny bilaogera. Ny seminera dia nomanin'ny mpanoratra malaza Youssef Al Ka'eed niarahana tamin'ireo bilaogera toa an'i Ghada Abdel Aal, Shady Aslan, ary i Mayada Medhat izay hireaka ny zava-niainan'izy ireo amin'ny maha-bilaogera literera azy ireo.
Bokim-bilaogera tsy voaisa no ho hita eny amin'ny talantalana; manana boky vaovao roa i Mohamed El Tohamy – “Hierapolis” sy “Work from Home” [Asa hatrao an-tanindrazana] – fanampin'ny nanontana pirinty indray ny tantara noforoniny voalohany, “A Human Being on Hold.”[Olombelona eo amin'ny bilaikoana] “Sadism” no tantara noforonina navoakan'ny bilaogera Mohamed Al Ghazaly. Hossam Mostafa Ibrahim indray manana boky telo vaovao: “But for Love” [Fa amin'ny fitiavana], “Out of Helplessness,” [Ivelan'ny tsy avotra intsony] ary “The Daily Diaries of a Teacher in the Countryside” [Tantara isan'andron'ny mpampianatra iray any ambanivohitra].  Khaled El Sawy, mpiantsehatra iray, mpanoratra, poeta, ary bilaogera namoaka ny poeziany mitondra ny lohateny hoe “Bells” [lakolosy maro], teathra iray antsoina hoe “Mind Games,” [lalaom-pisainana] ary tantara noforonina ira mitondra ny lohateny hoe “Kholoud's Diaries.” Mpanoratra, mpanao gazety, ary mpanao tsikera iray Howaida Saleh namoaka boky avy amin'ny anaran'ny bilaoginy ihany: “Girls Infatuation.”
Misy ihany koa ny toe-javatra iray tsara homarihana ary izany dia bilaogera roa miara-manoratra boky iray. Badria Taha sy Basma Abdel Baset nanomboka izany tamin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe “What do Girls Want?” [Inona no tadiavin'ny zazavavy] narahin'i Mohamed Kamal Hassan sy Mostafa Al Husseiny amin'ny bokiny: “Egyptian's Cafe“. Sahar Ghareeb indray eo am-piandrasana ny fivoahan'ny bokiny “My Mother-in-law is an Angel” [Anjely ny rafozambaviko] ary i Mohamed Fathi eo am-piandrasana ny angon-tsombin-dahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Egypt seen from the Balcony“. [Ejipta hita avy eny andavarangana ambony]. Henika fanasana ho an'ny vondrona sy lanonana fampiroboroboana boky sy foaram-boky ny Facebook.
Ny fanontaniako dia hoe: Vavolombelon'ny fotoana iray manan-tantara izay mamadika ny famahanam-bilaogy hita an'efijery mankany amin'ny pirinty ve isika? Inoa ny fetran-tsisintanin'ireo mpanoratra ambadiky ny efijery ireo?

Nanangana vondrona Facebook sy karazan-danonana ho an'ny bilaogera liana amin'ny fitsidihana iraisana mankany amin'ny foara mba tsy handehanana irery ny bilaogera Ahmed Al Sabbagh. Efa ho 2000 ny ian'ny mpikambana ao amin'ny vondrona ary efa voalahatra mandritra ny faran'ny herinandro ny daty itsidihana.

ونظراً لرغبة الكثيرمن الأصدقاء والمدونين فى عمل زيارة جماعية للمعرض فقمت بتأسيس جروب للمعرض على الفيس بوك معرض القاهرة الدولي للكتاب لعام 2009
ويضم حالياً أكثر من ألف وسبعمائة عضو وأقترح عمل أربع زيارات جماعية فى الأيام الأتيه

Satria maro ireo namana sy bilaogera no nangataka ny hanao fitsidihana miaraka amin'ny foara, dia nanangana ny vondrona Facebook ho amin'ny Foara Iraisampirenen'ny boky taona 2009 aho, izay manana mpikambana mihoatra ny 1700 amin'izao fotoana izao ka manolo-kevitra amin'ny hanaovana fitsidihana ho amin'ireo andro manaraka ireto aho:

23 Janoary
24 Janoary
30 Janoary
31 Janoary

Ankoatra ny boky notononina tao amin'ny naotin'i Mohamed Hamdy, dia nahita bokim-bilaogera maro hafa ihany koa i Ahmed Al Sabbagh:

Ato i Al Sabbagh nanoratra ny bokin'i Hesham Abbeya : “M Case” ary ato momba ny bokin'i Nancy Habib: “I love the Cinema.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.